Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRESY NY FAHAMARINANA

Daty
Alakamisy 09 May 2024

Na eo aza ireo famelezan'ny fahavalo dia hahatratra ny fetra ambony indrindra be voninahitra ny asan'Andriamanitra. Hotorina "amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" ny filazantsara (Apôk. 14:6). Hifarana amin'ny fandresen'i Kristy tanteraka ny herin'ny helo ny fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana. Handresy ny ratsy ny fanjakan'Andriamanitra ary ho foana mandrakizay eto amin'izao tontolo ary rehetra izao ny fahotana. Ny Apôk. 11 dia miantomboka amin'ny fiezahan'i Satana, tamin'ny alalan'ny Revolisiona frantsay, hamotika ny finoana kristianina sy hanafoana ny finoana an'Andriamanitra, saingy mifarana amin'ny fandresen'ny fanjakan'Andriamanitra ireo fanapahana sy ny herin'ny ratsy io toko io. Fampaherezana ho an'ireo rehetra mandalo fizahan-toetra mafy noho ny amin'i Kristy sy ny fahamarinany izany.

Vakio ny Apôk. 11:15-18. Araka ireo andininy ireo, inona ireo toe-javatra hisy amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, rehefa haneno ny trompetra fahafito?

Tonga fanjakan'ilay Tompontsika ireo fanjakana eto amin'ity tany ity. I Kristy no mpandresy. Resy ny ratsy. Mandresy i Jesôsy ary resy i Satana. Mandresy ny marina. Manjaka ny fahamarinana. Tsara ny hanarahantsika ity torolalana manaraka ity: "Na inona na inona aorina amin'ny fahefan'olombelona dia ho rava; fa izay rehetra miorina amin’ilay vatolampin'ny tenin'Andriamanitra tsy miova dia haharitra mandrakizay."- HM, t. 298.

Vakio ny Apôk . 11:19. Inona no hitan'i Jaona nisokatra tany an-danitra? Ary Inona no hitany rehefa niandrandra ny lanitra izy?

Nisokatra teo imason'i Jaona ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra. Nahita ny fiaran'ny fanekena izy rehefa nibanjina ny efitra masina indrindra. Tao amin'ny Fitoerana Masina ao amin'ny Testamenta Taloha izay mitovy amin'ny modely lehibe any an-danitra, ny fanatrehan'Andriamanitra be voninahitra dia naseho teo anelanelan'ireo sarin'anjely namboarina teo amin'ny rakotry ny fiaran'ny fanekena. Tao anatin'ny fiara no nisy ny lalan'Andriamanitra. Na dia vonjena amin'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny finoana irery ihany aza isika, ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra kosa dia maneho raha tena marina ny finoantsika. Ny lalàn'Andriamanitra no fototra na fenitry ny fitsarana (Jak. 2:12). Tonga manan-danja manokana sy mazava izany toe-javatra izany amin'ny fiafaran'izao tontolo izao (jereo ny Apôk. 12:17; Apôk. 14:12).

Ahoana no ambaran'ny fifanoherana manaitra eo amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra tao anatin'ny Revolisiona frantsay sy ny fiafarana be voninahitra voalaza ao amin'ny Apôk. 11 amintsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal