Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpanjaka mandrakizay manana fahefana tsy misy toa azy

Daty
Alarobia 28 February 2024

Vakio ny Sal. 2; Sal. 110:1-3; Sal. 89:4, 13-17; ary ny Sal. 110:1, 2, 5, 6. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba an'i Kristy amin'ny maha-Mpanjaka Azy?

Ny fanehoana an'Andriamanitra amin'ny maha-Rain'ny Mesia Azy dia manondro ny fanolorana satroboninahitra ny mpanjaka rehefa noraisina ho ao amin'ny faneken'Andriamanitra izy (Sal. 2:7; Sal. 89:26-28). Hitan'ny Sal. 2:7 mialoha ny fitsanganan'i Kristy amin'ny maty sy ny fanandratana Azy, izay fiantombohan'ny fanekena vaovao mandrakizay sy ny fanjakam-pisoronan'i Kristy (Asa. 13:33-39; Heb. 1:5; Heb. 5:5). Mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra ny Mesia, tsy mbola nisy nanana voninahitra sy fahefana tahaka izany (Sal. 110:1; Asa. 7:55, 56). "Hofanampin'izany, ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy llay 'voahosotra (Mesia) dia toa maneho ny fikasana hilaza fa ny Tompo mihitsy ío Mesia taranak'i Davida io. (...) Raha ny Tompo llay mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, dia Izy izany no Mesia, satria ity farany ihany koa no hita fa eo ankavanana [jereo ny Sal. 110:1,5]"- Jacques Doukhan, On the Way to Emmaus (Clarksville, MD: Lederer Books, 2012), tt. 26, 27.

Handresy tanteraka ireo fahavalony i Kristy amin'ny farany. Ny fanaovana ny fahavalo ho "fitoeran-tongotra" dia sary iray maneho ny fomba fanaon'ny mpanjaka tany Proche-Orient izay mametraka ny tongony eo amin'ny hatoky ny fahavalo izay resiny mba hanehoana ny fifehezany sy ny fanapahany azy tanteraka. Tsy fitaovana fampihorohoroana anefa ny tehina fanapahan'i Kristy (Sal. 2:9; Sal. 110:2).

Ny tehina dia nohazonin'ireo mpitarika ao anatin'ny foko ho famantarana ny foko misy azy (Nom. 17:2-10). Avy any Ziona ny tehin'í Kristy satria maneho ireo vahoakan'i Ziona Izy. Tandindon'ny fitsaran'Andriamanitra ny tehiny, fitsarana izay mamarana ny fanapahan'ny faharatsiana sy manondro ny fiandrianan'i Kristy tsy misy toa azy (Apôk. 2:27; Apôk. 12:5). Na ny mpanjaka ratsy fanahy aza dia omena fahafahana mibebaka sy milefitra amin'ny Mesia (Sal. 2:10-12).

Hita ao amin'ny toe-javatra mialoha ny fiavian'i Jesôsy fanindroany ao amin'ny Dan. 7 ny sary iray maneho ny fandresena faratampon'i Kristy, izay ahitana fa rehefa atao hanomezana "rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra" ny fitsarana (Dan. 7:22), dia aorina ny Fanjakany ary "ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay" Dan. 7:27. Azo antoka ný teny fikasana ny amin'io fanjakana io noho ny amin'ny hazo fijaliana.

Misy fitahiana ampanantenaina ho an'ireo rehetra mitoky amin'ny Mpanjaka, ary ho an'ny olona izay miravoravo amin'ny fanapahan'ny Mesia sy ny fiandrianany feno fahamarinana (Sal. 2:12; Sal. 89:15-17).

Endrey, mahafinaritra tokoa ny mahalala fa handresy ny ratsy ny tsara amin'ny farany, hampifoerina ny rariny ary hofoanana mandrakizay ny fahoriana sy ny alahelo. Ahoana no tokony hampaherezan'izany fahamarinana izany antsika amin'izao fotoana izay toa mampiroborobo ny faharatsiana izao, araka ny fijerin'olombelona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal