Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpanjaka mandrakizay manana fahefana tsy misy toa azy

Daty
Alarobia 28 February 2024

Vakio ny Sal. 2; Sal. 110:1-3; Sal. 89:4, 13-17; ary ny Sal. 110:1, 2, 5, 6. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba an'i Kristy amin'ny maha-Mpanjaka Azy?

Ny fanehoana an'Andriamanitra amin'ny maha-Rain'ny Mesia Azy dia manondro ny fanolorana satroboninahitra ny mpanjaka rehefa noraisina ho ao amin'ny faneken'Andriamanitra izy (Sal. 2:7; Sal. 89:26-28). Hitan'ny Sal. 2:7 mialoha ny fitsanganan'i Kristy amin'ny maty sy ny fanandratana Azy, izay fiantombohan'ny fanekena vaovao mandrakizay sy ny fanjakam-pisoronan'i Kristy (Asa. 13:33-39; Heb. 1:5; Heb. 5:5). Mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra ny Mesia, tsy mbola nisy nanana voninahitra sy fahefana tahaka izany (Sal. 110:1; Asa. 7:55, 56). "Hofanampin'izany, ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy llay 'voahosotra (Mesia) dia toa maneho ny fikasana hilaza fa ny Tompo mihitsy ío Mesia taranak'i Davida io. (...) Raha ny Tompo llay mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, dia Izy izany no Mesia, satria ity farany ihany koa no hita fa eo ankavanana [jereo ny Sal. 110:1,5]"- Jacques Doukhan, On the Way to Emmaus (Clarksville, MD: Lederer Books, 2012), tt. 26, 27.

Handresy tanteraka ireo fahavalony i Kristy amin'ny farany. Ny fanaovana ny fahavalo ho "fitoeran-tongotra" dia sary iray maneho ny fomba fanaon'ny mpanjaka tany Proche-Orient izay mametraka ny tongony eo amin'ny hatoky ny fahavalo izay resiny mba hanehoana ny fifehezany sy ny fanapahany azy tanteraka. Tsy fitaovana fampihorohoroana anefa ny tehina fanapahan'i Kristy (Sal. 2:9; Sal. 110:2).

Ny tehina dia nohazonin'ireo mpitarika ao anatin'ny foko ho famantarana ny foko misy azy (Nom. 17:2-10). Avy any Ziona ny tehin'í Kristy satria maneho ireo vahoakan'i Ziona Izy. Tandindon'ny fitsaran'Andriamanitra ny tehiny, fitsarana izay mamarana ny fanapahan'ny faharatsiana sy manondro ny fiandrianan'i Kristy tsy misy toa azy (Apôk. 2:27; Apôk. 12:5). Na ny mpanjaka ratsy fanahy aza dia omena fahafahana mibebaka sy milefitra amin'ny Mesia (Sal. 2:10-12).

Hita ao amin'ny toe-javatra mialoha ny fiavian'i Jesôsy fanindroany ao amin'ny Dan. 7 ny sary iray maneho ny fandresena faratampon'i Kristy, izay ahitana fa rehefa atao hanomezana "rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra" ny fitsarana (Dan. 7:22), dia aorina ny Fanjakany ary "ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay" Dan. 7:27. Azo antoka ný teny fikasana ny amin'io fanjakana io noho ny amin'ny hazo fijaliana.

Misy fitahiana ampanantenaina ho an'ireo rehetra mitoky amin'ny Mpanjaka, ary ho an'ny olona izay miravoravo amin'ny fanapahan'ny Mesia sy ny fiandrianany feno fahamarinana (Sal. 2:12; Sal. 89:15-17).

Endrey, mahafinaritra tokoa ny mahalala fa handresy ny ratsy ny tsara amin'ny farany, hampifoerina ny rariny ary hofoanana mandrakizay ny fahoriana sy ny alahelo. Ahoana no tokony hampaherezan'izany fahamarinana izany antsika amin'izao fotoana izay toa mampiroborobo ny faharatsiana izao, araka ny fijerin'olombelona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal