Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka

Daty
Alakamisy 29 February 2024

Vakio ny Sal. 110:4-7. Ahoana no mampiavaka ny fisoronan'i Kristy, ary inona ny fanantenana lehibe hitantsika ao amin'ny asa fisoronana ataony any an-danitra?

Nomen'Andriamanitra fanapahana mandrakizay ny Mesia (Sal. 110:1-3) ary koa fisoronana ambony laharana, dia araka ny fanaon'i Melkizedeka (Sal. 110:4-7). Fampanantenana miezinezina no tombokase amehezan'Andriamanitra ny Teniny (Heb. 6:18). Fanehoana fahasoavana ny fianianana nataony amin'ny tsy handavany ny hanome antsika Mpisorona tonga lafatra. Ny fahotan'ny olona sy ny fikomiana miharihary ataony no antony mahatonga an'Andriamanitra hahafoy azy ireo, kanefa tsy miova ny fianianan'Andriamanitra ary manome antoka ny amin'ny fahasoavany amin'ny fanafoanana ny didim-pitsarany amin'ny olona mibebaka (Eks. 32:14; Sal. 106:45).

Ny fianianan'Andriamanitra dia mampahafantatra singa iray vaovao ao amin'ny fanekena nataony tamin'i Davida amin'ny fanambarana fa ny Mesia Mpanjaka dia Mpisorona ihany koa (Sal. 110:4). Tsy afaka nanao ny asan'ny mpisorona Levita ireo mpanjakan'Isiraely fahiny (Nom. 8:19; 2 Tant. 26:16-21). Rehefa miresaka ny amin'ny mpanjaka na olona manao fanatitra ny Soratra Masina, dia izy ireo mitondra fanatitra any amin'ny mpisorona no ambaran'izany, ka ny mpisorona no manatitra ireny fanatitra ireny. Avahan'ny Sal. 110 amin'ireo mpanjakan'Isiraely sy ny mpisorona tao ny Mesia Mpanjaka. Ny fisoronan'i Kristy mandrakizay mantsy dia avy amin'i Melkizedeka, izay sady mpanjakan'i Salema (Jerosalema) no mpisoron'ny "Avo indrindra" (Gen. 14:18- 20). Ny Testamenta Taloha dia tsy mba manondro an'i Davida mpanjaka na ny mpanjaka hafa teo amin'ny Isiraely ho nanana fisoronana araka ny fanaon'i Melkizedeka, afa- tsy ny Sal. 110. Hita mazava fa mpanjaka-mpisorona miavaka teo amin'ny tantaran'ny Isiraely no resahin'io Salamo io.

Vakio ny Heb. 7:20-28. Midika inona avy ny asa fisoronana ambony ataon'i Kristy?

Sady Mpanjaka i Kristy no Mpisorona mandrakizay; fahamboniana tsy mbola nisy nanana izay mihoatra lavitra noho ny mpisorona sy ny mpanjaka rehetra izany; koa azontsika atao ny hanana fanantenana. Fanekena manan-danja no hazonin'i Kristy, fanekena izay miorina amin'ny fianianan'Andriamanitra izany fa tsy amin'ny fampanantenan'olombelona. Manao fanompoana ao amin'ny fitoerana masina any an- danitra Izy. Tsy voakasiky ny fahotana na ny fahafatesana ny fisoronany, tsy tahaka ny asa fisoronan'olombelona; noho izany dia afaka manao fanelanelanana ho an'ny olony sy mamonjy azy ireo mandrakizay Izy.

Ny asa fampihavanana ataon'i Kristy amin'ny maha-Mpisorona tonga lafatra sy be fiantrana Azy no manome antoka maharitra ho an'ny olona ny amin'ny hitoeran'izy ireo eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra (Heb. 6:19,20). Hamongotra ny fanapahan'ny faharatsiana ny fanjakam-pisoronan'i Kristy, tsy ao am-pon'ny olona ihany fa eto amin'izao tontolo izao mihitsy. Hihazona ny teny fikasana ao amin'ny Sal. 2 Izy fa ny firenena rehetra sy mpanapaka dia handalo amin'ny fitsaran'i Jesôsy Kristy mpanjaka (Sal. 2:6-9; Sal. 110:1, 2, 5, 6). Mitaky ny fankatoavantsika sy ny fitokiantsika ny asa fisoronana mahatalanjona ataon'i Jesosy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal