Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NATAO TAO AM-PASANA

Daty
Alakamisy 19 September 2024

Vakio ny Mar. 15:42-47. Inona ny hevitry ny fidiran’i Josefa avy any Arimatia an-tsehatra, indrindra noho ny tsy fahitana ireo mpianatr'i Jesôsy?

Taorianizany zavatra nifamahofaho izany dia toe-javatra "mahazatra" no nitranga. Tsy maintsy alevina mandrakariva ny maty. Misy teboka maromaro izay manaitra amin'ny lafiny ara-panahy anefa, ary misy ireo manan-danja fatratra ara-tantara.

Ao amin'ireo andalan-teny ireo no ahitana voalohany sady farany an'i Josefa avy any Arimatia ao amin'ny Filazantsaran'i Marka. Mambra mendri-kaja tao amin'ny Synedriona izy, ary iray tamin'ireo nantsoina hoe "sangany" teo amin'ny fiarahamonina. Amin'ny maha-lehilahy mpanankarena sy nohajaina fatratra azy dia nanana ny maha-izy azy teo imason'ny governora izy, izay manazava ny fananany fahasahiana hanatona an'i Pilato sy hangataka ny fatin'i Jesôsy.

Tsipirian-javatra manaitra ny fahitana mambra iray tao amin'ny filan-kevitry ny Synedriona liana amin'ny fandevenana an'i Jesôsy. Taiza tokoa moa ireo mpianatra nitokian'i Jesôsy tao anatin'izany toe-javatra rehetra izany? Tsipirian-javatra ara-tantara iray manan-danja tokoa eto ny fanamarinana ny fahafatesan'i Jesôsy. Ambaran'ny Mar. 15:43 fa nangataka ny fatin'i Jesôsy i Josefa. Gaga i Pilato raha nahare fa efa maty sahady i Jesôsy (Mar. 15:44). Nampanantsoiny, araka izany, ilay kapiteny nampiandraiketiny ny fanomboana an'i Jesôsy ary nanontaniany raha efa maty tokoa i Jesôsy. Nanamafy izany ilay kapiteny.

Zava-dehibe izany satria misy ireo nanambara tato aoriana fa tsy maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy fa torana fotsiny. Ny fijoroan'ilay kapiteny ho vavolombelona teo anatrehan'ny governora rômanina no manohitra mivantana izany fanambarana izany. Hain'ny Rômanina rahateo ny mamono ireo mpanao heloka bevava.

Nividy hariry madinika mba hamonosana ny fatin'i Jesôsy i Josefa ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, lzy. Nalalaka io fasana io ka azo nidirana tao anatiny (Mar. 16:5). Ankoatra an'i Josefa, dia nanannarika vehivavy roa izay nahita io toerana io ny mpanoratra ny filazantsara - i Maria Magdalena sy i Maria renin'i Josesy. lzy roa vavy ireo niaraka tamin'i Salome no nijery ny fanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana teny lavitra; izy telo ireo no nandeha tany amin'ny fasana ny Alahady maraina mba hanosotra ny fatin'i Jesôsy araka izay noheveriny (Mar. 16:1).

Nahoana moa no notononina ny anaran'ireo vehivavy telo ireo? Ho vavolombelon'ny fasana foana izy ireo ao amin'ny Mar. 16; vavolombelona lehiben'ny fitsanganan'i Jesôsy amin'ny maty izy ireo.

Toa mahagaga ny tsy nanatrehan'ireo mpanara-dia an'i Jesôsy ny toe-javatra kanefa ny mambran'ny Synedriona, ilay sokajin'olona izay nanameloka an'i Jesôsy, no tonga "mahery fo" eto. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hanatrika ny toe-javatra manan-danja koa isika amin'ny fotoana hisian'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal