Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOVONOINA IREO VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Talata 07 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:7-9. Amin'ny fitadidiana fa ara-tandindona ny teny ampiasaina eto, Inona no ambaran'ireo andininy ireo mialoha fa hitranga amin'ireo vavolombelon'Andriamanitra roa, ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao?

 Nirodana ny fanjakana romanina jentilisa tamin'ny taona 538 TrK. Nanolotra ny fahefany sivily sy ara-politika ary ara-pivavahana tamin'ny papa Vigillis i Justinian, amperora romanina. Nanomboka ny fe-potoana lava nanjakan'ny Fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany; nitohy hatramin'ny taona 1798 TrK izany. Niditra tsy nisy fanakanana tao Roma teo ambany fandidian'i Napoleon ny jeneraly frantsay Berthier ny 10 Febroary 1798. Nobaboina ny papa Pie VI ka nentina tany Frantsa, toerana izay nahafatesany. lo daty io no nanamarika ny fiafaran'ny fahefan'ny Eglizy romanina nandritra ny taonjato maro, ireo 1260 andro na taona voatondro ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy (jereo ny lesona omaly).

Fisehoan'ny fahamarinan'ny faminaniana ara-Baiboly miezinezina manao ahoana re izany! I Daniela izay nanoratra efa ho 500 taona TIK dia naminany marina ireo toe-javatra izay hitranga 2300 taona aty aoriana. Noho izany dia azontsika atao ny mitoky amin'ireo faminaniana nomena ao amin'ny Baiboly. Nandritra izany fotoana izany dia voatahiry ho velona noho ny fijoroan'ny Teny ho vavolombelona ny fa ha marinan'ny Filazantsara. Saingy fihaikana lehibe kokoa no nandrahona ny fahamarinana ara-Baiboly. Niady tamin'ny Soratra Masina ilay bibidia niakatra avy tao amin'ny lavaka tsy hita noanoa (Satana). Nanao fanafihana vaovao tamin'ny fahefan'ny Baiboly tamin'ny alalan'ny Revôlisiona frantsay izay nanomboka tamin'ny taona 1789 izy.

Nandritra ny Revôlisiona frantsay, ny governemanta dia nametraka tamin'ny fomba Ofisialy ny Fanomezan-kasina ny Saina ho fivavahana tsy mino an'Andriamanitra izay tohanan'ny fanjakana haka ny toeran'ny fivavahana kristianina. Lanonana manindrahindra ny Saina no nokarakaraina manerana ny firenena rehetra ny 10 Nôvambra 1793. Novana ho tempolin'ny Saina ny fiangonana rehetra tao Frantsa ary vehivavy velona iray no nomena seza fiandrianana ho andriamanibavin'ny saina. Baiboly maro no nodorana teny amin'ny lalam-be. Nambara fa tsy misy Andriamanitra ary ny fahafatesana dia noheverina ho toy ny torimaso tsy misy fiafarana. Tamin'ny alalan'ny olona maro tsy araka an'Andriamanitra no niasan'i Satana hamono ireo vavolombelon'Andriamanitra roa. Ny fatin'izy ireo dia "hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanana lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijallana"- A". 11:8. Kolontsain'ny andriamanitra marobe izay nanda Ilay Andriamanitra marina i Egipta (jereo ny Eks. 5:2). Maneho ny fahalotoam-pitondran-tena miharihary i Sôdoma.

Nandritra ny Revolisiona frantsay, ireo vavolombelon'Andriamanitra roa — ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao — dia maty noho ny tsy finoana an'Andriamanitra sy ny faharatsiam-pitondran-tena izay niely patrana rehefa novahana tao anatin'ny Revolisiona sy ny fandatsahan-dra ireo fameperana ara-dalana. Ny Apôk . 11:9 dia milaza fa tsy hampidirina ao am-pasana mandritra ny "hateloan'andro sy tapany' ny fatin'ireo vavolombelon'Andria-manitra roa, "andro" ara-paminaniana izay maneho telo taona sy tapany ara-bakiteny izany. Nahatratra ny tendro faratampony ny tsy finoana an'Andriamanitra nandritra ny Revolisiona frantsay, farafaharatsiny nandritra ny telo taona sy tapany. Teo anelanelan'ny 26 Nôvambra 1793 (daty izay nivoahan'ny didy nanafoanana ny fivavahana tao Paris) ka hatramin'ny 17 Jona 1797 (daty izay nanafoanan'ny governemanta ireo lalàna ara-pivavahana misy fameperana) io vanim-potoana io. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal