Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ARIVO TAONA ETO AN-TANY 

Daty
Talata 25 June 2024

Sary manaitra maneho ny fiverenan'i Jesôsy sy ny fandringanana ireo ratsy fanahy no mamarana ny Apôk. 19. Tsy tapitra eo anefa ny tantara. Miresaka amintsika ny amin'ny vanim-potoana iray maharitra arivo taona ny Apôk. 20.

Vakio ny Apôk. 20:1-3. Inona ny anjara miandry an'i Satana rehefa miverina i Jesôsy ?

Ara-tandindona ny fanoharana hita ao amin'ny Apôk. 20:1-3. Tsy mifatotra amin'ny rojo ara-bakiteny ary koa mihidy ao anatin'ny lavaka iray i Satana. Mandritra ny arivo taona, dia hitoetra eto amin'ity tany mangadihady sy tsy misy mponina ity izy ary hofatoran'ireo toe-javatra izay noforonin'ny tenany. Hitantsika ao amin'ny 2 Pet. 2:4 fa hotehirizina ho amin'ny famaizana amin'ny "fatoran'ny haizina" i Satana sy ireo anjeliny. Hitoka-monina eto an-tany i Satana ka hofatoran'ireo toe-javatra samihafa, tsy hisy na iza na iza azony alaina fanahy amin'izany fotoana izany. Mandritra ny arivo taona no hahitany ny faharavana sy ny fahasimbana ary ny loza izay vokatry ny fikomiany ihany.

Ny teny grika nadika hoe "lavaka tsy hita noanoa" no ampiasaina ao amin'ny Septante (ny dikanteny grikan'ny TT) mba hilazana ny toetry ny tany tamin'ny Famoronana. "Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny Ialina"- Gen. 1:2. Ao amin'ny Septante, ny teny hoe "Ialina" eto dia nadika avy tamin'ny grika abyssos, izay manondro "tany foana." Ny lavaka tsy hita noanoa dia tsy zohy tsy akory na koa lavaka lehibe any amin'ny faritra iray eto amin'izao rehetra izao. Ny asan’ny fahotana sy ny fandravana nataon'i Satana, miaraka amin'ny fikorontanana mahatsiravina mialoha ny fiavian'i Kristy fanindroany, no mamerina ny tany ho vongan-javatra rakotra haizina sy mikorontana tahaka ny toetra nananany tamin'ny fiandohan'ny Famoronana.

Vakio ny Jer. 4:23-26; Jer. 25:33 ary ny Isa. 24:1,3,5. Ahoana no anorisoritan'ireo mpaminanin'ny Baiboly io toe-javatra io?

Asongadin'ny mpaminany eto ny faharavana mahatsiravina hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, ary ambarany koa fa tsy hisy na iza na iza ho velona eto an-tany mandritra ny arivo taona. Havela hahita ny faharavana nateraky ny fikomiany i Satana sy ireo anjely ratsy. Hiaiky indray izao tontolo rehetra izao fa ny fahafatesana no tambin'ny ota. Vahan'Andriamanitra ny olan'ny fahotana ka tsy hisy intsony (Nah. 1:9). Fomba telo lehibe no anaovan'Andriamanitra izany. Voalohany, asehony ny fitiavany tsy manam-petra sy ny faniriany Ialina ary ny fiezahany tsy mety sasatra mba hamonjy ny taranak'olombelona. Faharoa, asehony ny fahamarinany sy ny fitiavany ny rariny. Fahatelo, avelany ho hitan'izao rehetra izao ny vokatra farany ateraky ny fahotana sy ny fikomiana. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal