Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY DRAFITR'ANDRIAMANITRA HO AN'NY FANAMBADIANA

Daty
Alahady 18 August 2024

Vakio ny Mar. 10:1-12, ny Gen. 1:27, ary ny Gen. 2:24. Inona ny fandrika ao ambadiky ny fanontanian'ny Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana, ary inona avy ny lesona nampitain'i Jesôsy tao anatin'ny valin-teniny?

Nanontany an'i Jesôsy ny Fariseo raha ara-dalàna ny fisarahan'ny Iehilahy amin'ny vadiny. Neken'ny Ialàna ny fisaraham-panambadiana teo amin'ny Fariseo. Efa tao anatin'ny nanabeazana azy ireo izany. Ny sekolin'i Samay (vondrona Fariseo tsy niombon-kevitra taminy momba ny antony azo isaraham-panambadiana) dia nametraka fepetra maro kokoa momba izany: tsy azo atao ny misara-bady afa-tsy noho ny tsy fananan-janaka, ny tsy fahavitana mamelona ny ankohonana, ny tsy fitiavana, na ny fijangajangana. Nalalaka kokoa ny sekolin'i Elela, ka namela ny hisaraham-panambadiana saika noho izao antony rehetra izao, na dia nataony sarotra kokoa aza ny harifenitra mba hampitaredretra ny fanatanterahana azy.

Koa somary hafahafa ihany ny nanontanian'izy ireo an'i Jesôsy raha azo atao ny misara-panambadiana. Nentiny hamandrihana an'i Jesôsy izany fanontaniana izany, mba hampisy disadisa Azy amin'i Herôda Antipasy, mpanapaka teo amin'ny faritra atsinanan'i Jordana izay nisy an'i Jesôsy tamin'io fotoana io. Nisaraka tamin'ny vadiny mantsy i Antipasy ary nanambady an'i Herodiasy, izay vadin'ny rahalahiny. Ary notapahin'i Herôda ny lohan'i Jaona mpanao batisa noho ny fananarany azy momba io fanambadiana tsy an-drariny io (jereo ny Mat. 14:1-12).

Fanontaniana no namalian'i Jesôsy ny fanontanian'izy ireo. Hoy Izy tamin'ny Fariseo: "Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?". Izay voasoratra ao amin'ny Deoterônômia 24:1-4 no namalian'ny Fariseo Azy, izay milaza toe-javatra manokana azo anekena ny fanambadiana fanindroany aorian'ny fisaraham-panambadiana. Efa nisy tokoa ny fisaraham-panambadiana teo amin'ny Isiraelita tamin'ny andron'i Mosesy. Natao hiarovana ny vehivavy ireo Ialàna voasoratra ao amin'ny Deo. 24 ireo. Naolan'ny sekolin'i Elela kosa izany tamin'ny andron'i Jesôsy mba hamelana malalaka ny fisaraham-panambadiana saika noho izao antony rehetra izao. Araka izany, ilay Ialàna natao hiarovana ny vehivavy dia nanjary natao hanamorana ny fanilihana azy.

Tsy niady hevitra momba ireo Ialàna manokana tao amin'ny Deoterônômia i Jesôsy fa niverina tamin'ny idealin'Andriamanitra tany am-boalohany ho an'ny fanambadiana, ao amin'ny Genesisy 1 sy 2. Nomarihiny fa tany am-boalohany dia Iahy sy vavy no namoronan'Andriamanitra ny olona (Gen. 1:27), dia olona anankiroa. Avy eo dia nampiarahiny amin'izay voalaza ao amin'ny Gen. 2:24 io fahamarinana io: ny Iehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy ireo. lo firaisana io no nanorenan'i Jesôsy ny fanambarany mikasika ny fatoram-panambadiana. Izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

Inona no azon'ny fiangonanareo atao mba hanamafisana orina ny fanambadian'izay rehetra manam-bady ao amin'izany fiangonana izany? Ahoana no hanampianareo izay efa nisara-panambadiana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal