Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHORIAN-DEHIBE

Daty
Alarobia 04 September 2024

Vakio ny Mar. 13:19. Inona no tondroin'ireo andalan-teny ireo?

Ny Mar. 13:14 izay miresaka momba ny fahavetavetan'ny fandravana no Iohahevi-dehibe ifantohan'io toko io (jereo ny fizarana Talata). Manamarika fiampitana ho amina Iohahevitra hafa koa ny Mar. 13:19. Manondro ny fahorian-dehibe izay tsy misy toy azy hatramin'ny namoronana an'izao tontolo izao izany. Fanenjehana lehibe lavitra sy miitatra kokoa noho izay nitranga tamin'ny faharavan'i Jerosalema no ambaran'izany. Miova ho amin'ny filazam-potoana ho avy ny mpanoratra ao amin'ny Mar. 13:19, izay manondro toe-javatra lavidavitra kokoa avy eo amin'ny andron'i Jesôsy.

Tahaka ny Mar. 13:14 izay mamerina ny faminaniana ao amin'ny Dan. 9, ny fanenjehana lehibe ao amin'ny Mar. 13:19-23 eto koa dia mamerina ireo faminaniana ao amin'ny Dan. 7 sy 8 izay anenjehan'ilay tandroka kely ny vahoakan'Andriamanitra "ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro." - Dan. 7:25. Mitovy amin'ny 1260 taona ara-bakiteny io fe-potoana ara-paminaniana 1260 andro io (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Teo anelanelan'ny taona 538 TrK sy ny taona 1798 TrK izany. Naniraka ny mpitari-tafiny mba hisambotra ny papa i Napoléon tamin'ny taona 1798 TrK. Nandritra io fe-potoana 1260 taona io no nanenjehan'ilay tandroka kely sy namonoany ireo izay tsy niombon-kevitra tamin'ny rafi-pitondran'ny fiangonany.

Vakio ny Mar. 13:20-23. Inona ny fanantenana omen'Andriamanitra ny vahoakany mandritra ny fotoam-panenjehana, ary inona ny fampitandremana omeny azy ireo rehefa mifarana izany?

Ambaran'ny Mar. 13:20 fa nohafohezina ny fotoam-panenjehana noho ny amin'ireo vahoakan'Andriamanitra. Araka ny tantara, nihalefy ny afon'ny fanenjehana taorian'ny Refôrmasiona prôtestanta; nanafohy ny fotoam-pahoriana izany. Nihena ny herin'ilay tandroka kely ary maro ny olona niandany tamin'ny fanavaozana ara-pivavahana. Hiverina indray anefa ny herin'ilay tandroka kely, araka izay ambaran'ny Apôk. 13.

Mampitandrina ny amin'ny loza mitatao hafa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:21-23, tsy inona izany fa ny mpaminany sandoka sy ny kristy sandoka izay hiseho mialoha ny hiverenany. Nilaza tamin'ireo mpanara-dia Azy lzy mba hiambina fandrao ho azon'ireny. Tsy mbola nanomboka tsy akory ny fihetsehana mitondra ny anaran'i Jesôsy tamin'ny fotoana nampitandremany mikasika ny kristy sandoka, kanefa nanao fanambarana nampitolagaga izay tanteraka tokoa lzy (na amin'izao andro izao aza dia misy mitonona ho Jesôsy).

Ahoana no tokony hampitomboan'izany fanambarana mialoha ny hoavy izany ny fitokiantsika amin'ny Tenin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal