Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILALAOVANA ANGATRA AMIN'NY ANDRO FARANY: FIZARANA 1 

Daty
Alarobia 05 June 2024

Vakio ny Mat. 24:5, 11, 24; 2 Tes. 2:7-9; Apôk. 13:13, 14; ary ny 16:13, 14. Karazam-pitaka manao ahoana no hatrehin'ny olona amin'ny andro farany?

Hampiasa "famantarana sy fahagagana" ary zava-mampitolagaga ny devoly hamitahana olona maro mialoha indrindra ny fiavian'i Jesôsy. Raha namakafaka ny fahefana mamitaky ny fanahin'ny demonia i Angel Rodriguez dia manao izao fanambarana izao: "Ny fahefany mandresy lahatra dia tsy mitoetra ao amin'ny votoatin'ny hafatra entiny fa ao amin'ny herin'ny fihetsiketsehana mihoatra ny herin'olombelona antsoina hoe 'famantarana' na fahagagana'. Manao famantarana (poled) izy ireo, manintona ny fihetseham-pon'ny olombelona fa tsy ny fahafahany misaina. Ny fanaovan'ny devoly ireo famantarana ireo dia maneho fa ny hery mampiray ny hafatr'ireo demonia telo [dragona, bibidia ary ny mpaminany sandoka] dia fiantsoana avelo – tsy Andriamanitra no loharano niaviany na niandohany. Rehefa hifarana io fifanandrinana mahakasika an'izao tontolo izao io dia hiditra amin'ny sehatry ny tantaran'ny olombelona amin'ny fomba tsy mbola nisy toy izany ny herin'ny demonia. Efa hambabo an'izao tontolo izao ny filalaovana angatra, izay miorina amin'ny fampianarana tsy ara-Baiboly mikasika ny tsy fahafatesan'ny fanahy." — "The Closing of the Cosmic Conflict: Role of the Three Angels' Messages," unpublished manuscript, t. 6.

Nahoana no mampidi-doza ny fitokiana amin'ny fihetseham-pontsika? Inona ny anjara asa tanany, tsara sy ratsy, eo amin'ny fanandramam-pinoana iainantsika? Ahoana no ahazoan'i Satana manodina ny fomba fisainantsika ka misarika ny fihetseham-pontsika?

"Efa ela i Satana no niomana ho amin'ny ezaka farany hamitahany an'izao tontolo izao. (...) Nomaniny tsikelikely ny lalana ho amin'ny fitaka fara-tampony hataony amin'ny fitomboan'ny filalaovana angatra. Tsy mbola nahatratra ny fahatanterahana feno ny amin'ny zava-kendreny nefa izy; nefa ho tody amin'izany amin'ny andro farany sisa. (...) Afa-tsy izay voaron'ny tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana ny teniny dia ho voafaoka ho ao amin'ny laharany izao tontolo izao manontolo hanaraka ny fitaka ataony. Sondriana sy renoka ny vahoaka noho izany fiadanana mampidi-doza izany, ary tsy hifoha raha tsy hirotsaka ny fahatezeran’Andriamanitra." – HM, t. 585. Ao amin'i Jesôsy sy ao amin'ny teniny ihany no hany fiarovana ho antsika.

Tsy sarotra ny mahatakatra ny antony mahatonga ny olona an-tapitrisa, eny an-davitrisa mihitsy aza, izay tsy mahalala ny toetry ny maty ho voataonan'ny fiheveran-diso izay milaza fa mbola velona ny maty aorian'ny fahafatesana.

Na amin'izao fotoana izao aza, inona avy ireo famitahana mahazatra izay tsy mahavoa ireo mahatakatra fa ny maty dia matory? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal