Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FISAINAN'OLOMBELONA IVELAN'NY SORATRA MASINA

Daty
Alarobia 17 April 2024

Miasa amin'ny alalan'ny fisainantsika ny Fanahy Masina. Manasa antsika Izy handinika ireo zava-miafin'izao tontolo ary rehetra izao. Mifanaraka amin'izany indrindra ny voalazan'ilay olona iray izay hoe: "Amin’ny maha-Kristianina antsika dia tsy ajanontsika eo am-baravaran'ny fiangonana ny atidohantsika." Kanefa na maranitra toy inona aza ny sain'ny olombelona, raha amin'ny herin'ny tenany monja dia tsy ho hainy ny hahatakatra ireo fahamarinan'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina. Tsy hevitr’olombelona mantsy ny fahamarinana. Fanambaran'Andriamanitra izany. 

Vakio ny Ohab. 16:25, Mpits. 21:25, sy ny Isa. 53:6. Inona no ambaran'ireo momba ny paikady entin'i Satana mamitaka?

Anisan'ny famitahana mahomby indrindra ataon'ny devoly ny mitarika antsika hino fa ny fomba fisainan'olombelona tsy ampian'ny Fanahy Masina sy tsy mahazo fahalalana avy amin'ny Tenin'Andriamanitra dia ampy hahatakarana ny sitrapon'Andriamanitra. Mety hisy lalana toa tsara eo imasontsika, na amin'ny kolontsaina iray manontolo koa aza, kanefa mety ho diso tanteraka eo imason'Andriamanitra.

Taona vitsivitsy lasa izay dia nanapa-kevitra izaho sy ny vadiko hitsangantsangana any amin'ny ala nanakaiky ilay hôtely natorianay. Mahay lalana aho amin’ny ankapobeny, ary raha mandeha mandritra ny adiny iray eo aho, manaraka lalana isan-karazany, dia matoky fa tsy ho sarotra amiko ny hahita ny lalana mody; saingy vetivety foana dia hitanay fa very tanteraka tao an'ala izahay. Nilentika ny masoandro ary nanahy ny ratsy indrindra aho. Soa fa nahita mpitsangantsangana hafa izay mahalala ny lalana izahay. Teo amin'ny 8 kilômetatra niala ny lalana no nisy anay, saingy tsy lavitra anay teo ny lalambe. Ary satria nijanona teo akaiky teo ny fiaran'izy ireo dia nanolo-kevitra ny hanatitra anay tany amin'ilay hotely izy ireo. Nanova zavatra tokoa ny nahitana olona nahafantatra ny lalana sy afaka nitondra anay ho any amin'izay tokony halehanay.

Tsy namela antsika ho irery Andriamanitra teo amin'ny diantsika eto an-tany mankany an-danitra. Manondro antsika ny Soratra Masina, Izay mitarika antsika hody, ny Fanahy Masina. Tsy mety ho takatsika araka ny tokony ho izy ny marina sy ny diso, ny mety sy ny tsy mety, ny tsara sy ny ratsy — raha tsy hazavain'ny Tenin'Andriamanitra. Izay manohitra an'Andriamanitra sy ny Teniny dia fahadisoana, ary mampidi-doza mandrakariva ny fahadisoana; izay mifandrindra amin'Andriamanitra kosa dia fahamarinana sy fahatsarana. Zava-dehibe ny hanaovantsika ny Tenin'Andriamanitra ho mpitsara antsika farany ny amin'ny fahamarinana sy ny fitondran-tena.

Nahoana ny sain'olombelona no tsy mahita ny fahamarinan'Andriamanitra raha tsy misy fanampiana avy amin'ny Fanahy Masina? Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fifandraisana misy eo amin'ny fomba fihevitr'olombelona sy ny fanambaran'Andriamanitra. Ahoana no tena anampian'ny faharanitan-tsaintsika hahatakatra ny fanambaran'Andriamanitra? Ohatra, jereo ny Dan. 2, faminaniana izay mahafaoka ny tantaran'izao tontolo izao hatramin'ny andron'i Babilona ka hatramin'ny hoavy. Nahoana no tena ilana ny fahaiza-mandiniky ny olombelona tokoa ny karazana faminaniana tahaka izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal