Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitsaran'Andriamanitra sy ny Fitoerana Masina

Daty
Alakamisy 08 February 2024

Vakio ny Sal. 96:6-10; Sal. 99:1-4; sy ny Sal. 132:7-9, 13-18. Aiza no miseho ny fitsaran' Andriamanitra? Inona no akon'ny valin'izany fanontaniana izany amintsika? Ahoana no anampian'ny fitoerant masina antsika hahatakatra ny fomba fiatrehan'Andriamanitra ny fahotana?

Mifandray akaiky amin'ny fitoerana masina ny fitsaran'Andriamanitra. Teo amin'ny fitoerana masina sy ny tontolony no nampiova ny fahatakaran'ny mpanao Salamo ny olan'ny faharatsiana (Sal. 73:17-20). Notendrena ho toeran'ny fitsaran'Andriamanitra ny fitoerana masina, araka ny tondroin'ny fitsaran'i Orima (Nom. 27:21), sy ny saron-tratra fitsaran'ny mpisoronabe (Eks. 28:15, 28-30). Koa maro ny Salamo manoritsoritra an'Andriamanitra eo amin'ny seza fiandrianany, vonona hitsara izao tontolo izao noho ny fahotany sy ny faharatsiany.

Nambara tao amin'ny fitoerana masina ny drafi-panavotana. Teo amin'ny mpanompo sampy dia loto ara-nofo no tena nandraisana ny fahotana, izay natao hesorina amin'ny alalan'ny majika. Ny Baiboly kosa dia maneho ny fahotana ho fandikana ny lalàna môralin'Andriamanitra. Ny fahamasinan'Andriamanitra dia midika fa tia ny rariny sy ny fahamarinana izy. Tokony hitady ny rariny sy ny fahamarinana toy izany koa ny vahoakan'Andriamanitra, ary tokony hankalaza an'Andriamanitra ao anatin'ny fahamasinany.

Araka izany dia toeram-pamelana heloka sy famerenana amin'ny laoniny ny fahamarinana ny fitoerana masina, araka ny asehon'ny rakotra fanaovam- panavotana misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary koa ny "fanati- pahamarinana" (Deo. 33:19, Sal. 4:5).

Kanefa mamaly ny asa ratsin'ireo izay tsy mety mibebaka io Andriamanitra mpamela heloka io (Sal. 99:8). Toerana itrangan'ny fitsaran'Andriamanitra ny fitoerana masina; mahatonga fahatsapana mandrakariva ny fahamasinan' Andriamanitra sy fiainana mifanaraka amin'ireo fitakian'ny faneken'Andriamanitra izany. Ny vokatry ny fitsaran'Andriamanitra dia fiadanana ho an'ny olo-marina ary faharesena ho an'ny ratsy fanahy (Sal. 132:13-18). Nikolokolo fanantenana mahafinaritra ny amin'ny fiavian'ny Tompo amin'ny maha-Mpitsara Azy ny fitoerana masina, indrindra tamin'ny Andro Fanavotana. Hamafisin'ny Salamo koa fa azo antoka ny fahatongavan'llay Andriamanitra Mpitsara (Sal. 96:13; Sal. 98:9), izany hoe Jesôsy Kristy, ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra (Apôk. 11:15-19).

Vakio ny Rom. 8:34. Ahoana no anehoan'io andininy io amintsika fa vaovao mahafaly ho an'ny vahoakan' Andriamanitra ny zavatra ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal