Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FOMBA TSARA INDRINDRA AMPIASANA NY VOLA

Daty
Talata 20 August 2024

Vakio ny Mar. 10:17-31. Inona ireo lesona lehibe momba ny finoana sy ny sandan'ny maha-mpianatra hita eto, ho an'ny olona rehetra na manankarena na mahantra?

Ny fomba nanatonan'ilay Iehilahy an'i Jesôsy dia naneho ny fahatsorany sy ny fanajany an'i Jesôsy. Nihazakazaka izy, nandohalika teo anatrehany, ary nametraka fanontaniana mavesa-danja momba ny anjaran'ny fanahy tsirairay avy - Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ny tapany faharoa amin'ny Didy folo no namalian'i Jesôsy azy. Dia nasehon'ilay Iehilahy indray ny faniriany hanao ny tsara ka nilaza izy fa efa notandremany avokoa ireo rehetra ireo hatry ny fony kely.

Ny bokin'i Marka irery, amin'ireo filazantsara efatra, no manamarika fa tian'i Jesôsy ilay Iehilahy. Mahafinaritra ny finiavan'ilay Iehilahy hanao ny tsara. Kanefa nozahan'i Jesôsy toetra ny fahatokiany tamin'ny nilazany taminy mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanaraka Azy. Tsy tena nitandrina ny didin'Andriamanitra ilay Iehilahy raha ny marina. Nandika ny didy voalohany izy satria nisy zavatra nomeny toerana ambony kokoa noho Andriamanitra teo amin'ny fiainany. Nataony sampy ny harenany.

Avy eo dia nohazavain'i Jesôsy fa mamandrika tokoa ny harena ary moramora kokoa ny hidiran'ny biby lehibe toy ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra kely noho ny hidiran'ny manan-karena any an-danitra.

Dia gaga ny mpianatra, nametra-panontaniana hoe: iza indray izany no ho azo vonjena? Izao no navalin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 10:27: "Raha amin'ny olona dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra."

Toa tsara tokoa raha mifarana eo amin'ny Mar. 10:27 ny tantara: tsy efan'ny tenanao samirery ny miditra ny lanitra; mila ny fahasoavan'Andriamanitra ianao mba ho voavonjy.

Kanefa notohizan'i Petera izany tamin'ny nilazany fa izy sy ny namany dia efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesôsy. Dia namaly i Jesôsy fa izay rehetra afointsika noho ny fanarahana Azy dia tsinontsinona raha mitaha amin'izay horaisintsika, amin'izao andro izao sy amin'ny "andro ho avy".

Izao raha fintinina: Ny fahafatesan'i Kristy no namaha ny olan'ny fahamelohan'ny olombelona, ary ny fahasoavan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no manome hery ny olona ho afaka hitandrina ny didiny.

Vakio ny Rôm. 6:1-11. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, izay sady manamarina antsika no manova antsika ho olom-baovao ao Aminy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal