Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY KINTAN'NY MARAINAN’NY FANAVAOZANA ARA-PIVAVAHANA 

Daty
Alarobia 24 April 2024

Vakio ny Sal. 19:7-11, Sal. 119:140, Sal. 119:162, ary ny Jer. 15:16. Inona ny toe-tsaina mitovy nananan'i Davida sy i Jeremia momba ny Tenin'Andriamanitra, toe-tsaina izay vato fehizoron'ny Fanavaozana ara-pivavahana?

"Faly" tamin'ny Tenin'Andriamanitra ireo mpanavao fivavahana tsirairay. "Faly" izy ireo tamin'ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. "Tiany" ny lalany. !ray amin'ireo fahamarinana fototra manan-danja indrindra amin'ny Fanavaozana ara-pivavahana ny fifaliana nentin'ny fandinihana ny Soratra Masina. Tsy asa mahasasatra tsy akory ny fandinihana ny Baiboly; tsy fandalan-dalana ho fitadiavam-pamonjena koa izany. Tsy fitakiana henjana izany fa fahafinaretana.

Raha nandinika ny Soratra Masina izy ireo dia novan'ny herin'ny Fanahy Masina. "Ny toetra amam-panahin'i Wiclef dia vavolombelon'ny herin'ny Soratra Masina manabe sy manova. Ny Baiboly no nahatonga azy araka izay maha-izy azy. Ny fiezahany hamikitra ireo fahamarinana lehibe tao amin'ny fanambarana dia nanome hery vaovao sy tanjaka ny fahaizany rehetra. Nanitatra ny sainy izany, nampaharanitra azy, ary nahamatotra ny fahaizany mandanjalanja. Ny fianarana ny Baiboly dia hanandratra ny eritreritra rehetra, ny faniriana rehetra sy ny fihetseham-po rehetra mihoatra noho ny fianarana hafa atao. Mampitoetra tsara ny fikasana izany, manome faharetana, herim-po sy fihafiana; manamboatra ny toetra izany ary manamasina ny fanahy. Ny fianarana ny Soratra Masina amim-pahazotoana sy amim-panajana dia hitondra ny sain'ny mpianatra hifandray mivantana amin'ilay saina tsy voafetra, ka hanome olona, ho an'izao tontolo izao, manana saina mihamatanjaka sy miasa bebe kokoa hatrany, sy foto-kevitra ambony kokoa hatrany, mihoatra izay tsy mbola hita ho vokatry ny fitaizana havanana indrindra natolotty ny hevi-tsain'ny olombelona." — HM, t. 94

Vakio ny 2 Tim. 2:1-3. Inona ny torohevitra nomen'i Paoly apôstôly an'i Timoty momba ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra?

Nameno ny fon'ireo mpanavao fivavahana tanteraka ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fifaliana ny amin'ny famonjena ao amin'i Kristy ka tsy hain'izy ireo ny tsy hizara izany. Nandany ny fiainany tamin'ny fandikana ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny terry anglisy i John Wycliffe noho ny antony roa ihany: nanova azy tamin'ny alalan'ny Teny i Kristy velona ary ny fitiavan'i Kristy no nandrisika azy hizara izay voarainy tamin'ny hafa.

Talohan'i Wycliffe dia vitsy dia vitsy ny andinin-tSoratra Masina nisy tamin'ny terry anglisy. Na dia maty talohan'ny nahatraran'i Roma azy aza izy dia nofongarin'ny fitondrana papaly ny nofony ka nodorana ary natsipy terry amin'ny renirano ny lavenony. Saingy tahaka ny nanapariahan'ny rano ireo lavenona ireo no nielezan'ny Tenin'Andriamanitra, ilay ranon'aina, lavitra vokatry ny asa nataony. (zany fomba izany no nampiasan'Andriamanitra azy — "Ilay Kintan'ny Marainan'ny Fanavaozana ara-pivavahana."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal