Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SOMBI-MOFO HO AN'NY AMBOAKELY

Daty
Talata 06 August 2024

Vakio ny Mar. 7:24-30. Inona ny lesona manan-danja hita ao amin'io tantara io?

Taorian'ny andalan-teny saro-takarina tao amin'ny lesona omaly, dia miteraka fanontaniana saro-baliana koa ny tantara ao amin'ireto andalan-teny ireto. Nahoana i Jesôsy no nanao valinteny henjana tamin'ilay vehivavy ka niantso azy hoe amboakely mihitsy aza?

Tsy hazavainy mivantana izany, kanefa maneho ny lesona tiany hampitaina ny valinteniny izay toa ahitana lafin-javatra roa. Ambarany ao amin'ny Mar. 7:27 fa ny zaza "aloha" no tokony ho voky. Raha misy ny "aloha" dia azo heverina ny hisian'ny "izay vao..." aorian'izany. Ny lafiny faharoa dia ny fampiasan'i Jesôsy endri-panalefahana ao amin'ny teny hoe amboa, izay tsy midika ho zanak'alika, fa ireo alika izay avela handeha ao an-trano tsy tahaka ireo mpirenireny eny amin'ny arabe. Naverin'ilay vehivavy ireo teboka roa ireo, izay nanazava ny valinteniny, raha namaly an'i Jesôsy izy.

Somary nivantambantana ny valintenin-dravehivavy. Hoy izy: "Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany." - Mar. 7:28.

Ahoana no nahatonga io vehivavy io hanao izany valinteny izany tamin'i Jesôsy? Azo antoka fa ny fitiavany ny zanany vavy no nanosika azy tamin'izany kanefa nandrisika azy koa ny tenin'i Jesôsy. Ny teniny hoe "aloha" dia naneho fa hisy ny aorian'izany. Ankoatra izany, nambarany fa amboakely ao ambany latabatra ravehivavy. Tahaka ny amboa ao an-trano izay ao ambany latabatra no nankanesany teo an-tongotr'i Jesôsy mba hitalaho ho an’ny zanany vavy. Notakiny tamin'izany ny zon'ny amboakely amin'ny hanina izay latsaka eo amin'ny tany.

Maneho ny finoan'ilay vehivavy ny valinteniny. Ny fiantsoany ny fahagagan'ny fanasitranana avy eny lavitra izay atao amin'ny zanany vavy hoe "sombintsombin'ny mofo" dia maneho fa lehibe tokoa ny herin'i Jesôsy (raha sombi-mofo ny fahagagana toy izany, dia ho toy ny ahoana moa ny mofo?), maneho koa izany fa ny famalian'i Jesôsy ny fangatahany dia zavatra kely foana ho Azy. Nanetsika ny fon'i Jesôsy izany ka novaliany ny fangatahan-dravehivavy.

 "Tamin'ny fifandraisany taminy, dia nasehony fa izay noheveriny ho lavin'ny fiaraha-monina tsy ho ao lsiraely dia tsy vahiny intsony, fa zanaka ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Amin'ny maha-zanaka azy dia tombontsoany ny mandray anjara amin'ny fanomezan'ny Ray." - IFM, t. 428.

Nahoana ny fitsaratsarana mikasika ny fihodirana sy ny fiaviana no mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesôsy? Ahoana no hahafahantsika miala amin'izany faharatsiana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal