Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TENDROMBOHITRA SY NY VAHOAKA BETSAKA

Daty
Talata 13 August 2024

Vakio ny Mar. 9:1-13. Inona no hitan’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona tamin'ny indray alina niarahany tamin'i Jesôsy?

Nilaza i Jesôsy ao amin'ny Mar. 9:1 hoe: "Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery." Tanteraka io faminaniany io andro vitsy taorian'izay, rehefa naka an'i Petera sy i Jakôba ary i Jaona i Jesôsy ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray. Tao Jesôsy no niova tarehy teo anatrehan'izy ireo, tao amin'ny voninahitry ny fanjakan'ny lanitra.

Tonga avy any amin'ny tontolon'ny lanitra i Mosesy sy i Elia ary niresaka tamin'i Jesôsy. Niresaka momba ny fialan'i Jesôsy (exodus amin'ny teny grika), izay efa hefainy any Jerosalema izy ireo, araka ny nosoratan'i Lioka (Lio. 9:30,31). Araka izany, io toe-javatra be voninahitra io dia mifamatotra amin'ilay hahafatesan'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana (ampitahao amin'ny Mar. 9:9). Nampaherezana azy ireo izany mba hananany fanantenana rehefa ho hitany voahombo eo amin'ny hazo fijaliana i Kristy.

Ny ampitso, raha nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia nanontany an'i Jesôsy ireo mpianatra telo Iahy momba ny fiavian'i Elia mialoha. lzany fanontaniany izany dia mifandray amin'ny finoan'ny Jiosy fa tsy maintsy hiseho aloha i Elia, izay vao ny Mesia (ampitahao amin'ny Mal. 4:5,6). Namaly i Jesôsy fa efa tonga I Elia; Jaona mpanao batisa no nolazainy tamin'izany. Ary tahaka ny namonoan'izy ireo an'i Jaona dia ho faty eo an-tanany koa i Jesôsy, saingy hitsangana amin'ny maty Izy rehefa afaka hateloana.

Taorian'ilay alina be voninahitra dia korontana mampalahelo no niandry azy ireo teo an-tongotry ny tendrombohitra (Jereo ny Mar. 9:14-29). Nisy zazalahy iray azom-panahy maloto, kanefa tsy nahavoaka ny fanahy ratsy tao aminy ireo mpianatra sivy Iahy nijanona teo. Rehefa tonga nanatona teo i Jesôsy dia nihazakazaka nitsena Azy ny olona. Voasoritsoritra ao amin'ny tantara ny herin'ny demonia nifehy ilay zaza. Toa naka fotoana maharitra i Jesôsy nametrahana fanontaniana momba ny fisehon'ilay toe-javatra manjo ny zaza amin'ny tsipiriany. Nandrotika ny fon'ilay raim-pianakaviana izany, izay nitalaho hoe: "Raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay." - Mar. 9:22.

Avy hatrany dia tsinjon'i Jesôsy ny tsy finoana tao amin'izany teny izany. "Hainao hoe?"- Mar. 9:23, hoy Izy. Tampoka, toy ny tselatra, dia fantatr'ilay raim-pianakaviana fa tsy ny zanany Iahy ihany no nanana olana - ny tenany koa dia nanana olan'ny tsy finoana. Ary ny tsy fahasitranan'ny zanany dia mety ho vokatr'izany tsy finoany izany. Niantoraka tamin'ny famindrampon'i Jesôsy ilay raim-pianakaviana, nanao ireto teny tsy hay hadinoina ireto: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako!" - Mar. 9:24. Dia nositranin'i Jesôsy ilay zazalahy. 

Tamin’ny toe-javatra manao ahoana no efa nanaovanao hoe: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako"? Inona ny lesona notsoahinao avy amin'izany fanandramana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal