Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

OLONA SALAMA, TONGA ANY AMIN'NY HELO

Daty
Alakamisy 15 August 2024

Vakio ny Mar. 9:42-50. Inona no iraisan'ireo fampianarana ataon'i Jesôsy ao amin'ireo andininy ireo?

Amin'ny voalohany dia toa fampianarana maro tsy misy ifandraisany no natambatra eto, izay sady tsy mifanaraka no tsy misy antony. Rehefa dinihina akaiky anefa dia misy teny mampifandray azy amin'ny eo alohany ny fampianarana tsirairay avy. Teny telo manan-danja no ihodinkodinan'ireo andininy ireo, izay mampiditra fampianarana tsikelikely — "mahatafintohina" na "manafintohina" na "mahatonga hanota"(jereo ny DIEM), "afo", ary "sira".

Momba ny "madinika" ny fampianarana voalohany, izay ilazana ireo izay mbola zaza vao amin'ny finoana. Ny andraikitra apetraka amin'ny mpampianatra sy ny mpitarika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia ny miahy sy mikarakara manokana ireo vao niova fo ireo, dia tahaka ny foto-kevitra voalaza ao amin'ny TT momba ny fitsinjovana ireo marefo indrindra teo amin'ny fiarahamonina fahiny ny mpitondratena, ny kamboty, ary ny vahiny. Nampiasa "filaza matavy" i Jesôsy nanambara fa tsara ho an'izay "mahatafintohina" ny "madinika" ny hatsipy any an-dranomasina ho faty an-drano.

lo teny hoe "mahatafintohina" io, na "mahatonga hanota", dia fiandohan’ny fampianarana lava indrindra ao amin'io ampahan-tSoratra Masina io. Misy fanontaniana roa mahavaka ny sain'ny mpamaky eto. Voalohany, tena mampianatra ny olona hanapaka ny tanany na ny tongony, na hanaisotra ny masony ve i Jesôsy? Faharoa, helo misy afo mirehitra mandrakizay tokoa ve no resahiny? Tsia ny valin’ilay fanontaniana voalohany, tsy mampianatra fanapahana rantsam-batana i Jesôsy - tsy neken'ny jodaisma izany (ampitahao amin'ny Deo. 14:1; 1 Mpanj. 18:27-28. Mampiasa "filazana matavy" fotsiny Izy mba hanazavana ny tiany hambara. Raha ratsy amintsika izany kilemaina tsy misy tanana na tongotra, na poa-maso izany dia mainka ratsy lavitra ho an'ny Kristianina ny manota!

Tsia koa ny valin'ilay fanontaniana faharoa. Tsy mampianatra ny fisian'ny helo misy afo mirehitra mandrakizay tsy akory i Jesôsy. Ahoana no hahafantarantsika izany? Voalohany, manana endrika tantara mahatsikaiky io andinin-tSoratra Masina io. Alao sary an-tsaina ireo olona miditra ny tanànan'ny lanitra, toka-maso, mandringa tsy misy tanana ila. Dia saino indray ny amin'ireo olona mankany amin'ny helo, salama tsy misy nanombinana ny vatany. Tsy tokony ho ny mifamadika amin'izany ve? Olona salama tsara ve no tonga any amin'ny helo? Tantara mahatsikaiky izany. Ny fampiasana tantara mahatsikaiky amin'ny lohahevitra matotra toy izao dia maneho amintsika fa fomba nentin'i Jesôsy hanazavana ny hafany izany. Tsy azo hamaivanina tokoa ny fahotana ka aleo tapa-tanana sy tongotra ary poa-maso toy izay hanota.

Manaraka izany, tsy ny afon'ny helo no mandrakizay fa ny vokany. "Fa lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay" - Jao. 3:16 (DIEM). Ringana mandrakizay ireo very fa tsy dorana mandrakizay - Samihafa tanteraka izany! 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal