Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ORANA SY NY FARA-ORANA

Daty
Alarobia 19 June 2024

Vakio ny Joe. 2:21-24 sy ny Asa. 2:1-4, 41-47. Inona ny faminaniana tanteraka tamin'ny taonjato voalohany? Inona ny fiantraikan’izany?

Ny firotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekôsta no nanome hery lehibe ny fiangonana kristianina. Telo arivo no niova fo tao anatin'ny iray andro. Voarakitra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly ny fahagagana nifanesy nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra izay manova: "maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy."- Asa. 4:4. Mpino 120 monja no niangona mba hivavaka, kanefa fiovana mahagaga no nateraky ny vavaka. Haingana dia haingana no niampian'ireo mpino an'arivony. Na ireo mpisorona aza dia marobe (...) nanaiky ny finoana"- Asa. 6:7. Rehefa nivaivay ny fanenjehana ireo mpianatra tany Jerosalema, dia niely izy ireo ka "nandeha nitory teny tontolo eny'- Asa. 8:4. Natsangana nanerana an'i Jodia sy Samaria ary Galilia ny fiangonana marobe (jereo ny Asa. 9:31). Taorian'ny fiovam-pony, dia nitory an'i Kristy nanerana ny faritr'i Mediteranea i Paoly apôstôly. Nanao izao fanambarana mahagaga izao ireo Jiosy izay nanohitra ny Filazantsara tao Tesalônika: "Tonga aty koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo"- Asa. 17:6. Tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina no nanatraran'ny mpianatra an'izao tontolo izao tamin'izany andro izany, tao anatin'ny fotoana fohy monja. Tanteraka tamin'ny Pentekosta ny faminanian'i Joela mikasika ny loha-orana, fa ny fara-orana kosa dia hilatsaka amin-kery lehibe mba hanomanana ny fijinjana farany eto an-tany.

Vakio ny Zak. 4:6; Zak. 10:1; Hôs. 6:3 ary ny Jak. 5:7,8. Araka izay ambaran'ireo toko sy andininy ireo, ahoana ny fomba hamitana ny asan'Andriamanitra?

Nalaina tamin'ny tsingerim-pambolen'ny Isiraely ny teny hoe "Ioha-orana" sy "fara-orana." Nilatsaka tamin'ny lohataona ny loha-orana izay nampitsimoka ny voa. Ary ny fara-orana kosa nilatsaka tamin'ny lohataona mba haha-masaka ny vokatra. Manoritsoritra ny asan’ny Fanahy Masina eo amin'ny fitoriana ny filazantsara izany. "Tahaka ny nanomezana ny `ranonorana aloha', tamin'ny nirotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny nisokafan'ny fitoriana ny filazantsara, mba hampitsimoka ny voa sarobidy, dia toy izany koa no hanomezana ny `ranonorana aoriana' amin'ny famaranana ny fitoriana ny filazantsara mba hanamasaka ny voa hojinjaina. (...) Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany. lreo faminaniana izay tanteraka tamin'ny nirotsahan'ny ranonorana voalohany tamin'ny fiandohan'ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin'ny fiafaran'izany amin'ny ranonorana farany."- HM,  t. 637. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal