Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

RAIKI-DELA

Daty
Alarobia 07 August 2024

Vakio ny Mar. 7:31-37. Iza no nentina teo amin'i Jesôsy, ary inona no nataon'i Jesôsy ho azy?

Tsy ny lalana akaiky indrindra no narahin'i Jesôsy raha hiverina any Galilia avy any amin'ny faritr'i Tyro sy Sidôna Izy. Nianavaratra avy teo Tyro Izy ary niakatra hatrany amin'ny tanànan'i Sidôna, avy eo namakivaky ny tanàna ary nidina teo amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny Ranomasin'i Galilia, ary nony farany dia tonga teo amoron'ny ranomasina. Lalana niolikolika tokoa izany, izay nananany fotoana fanampiny nampianarana ireo mpianany.

Tsy ambaran'ny lahatsoratra mazava ny amin'izay nitondra ilay lehilahy hankeo amin'i Jesôsy fa mazava kosa ny olany - marenina izy ary tsy nahay niteny. Manapaka ny fifandraisan'ny olona amin'ireo manodidina azy ny tsy fandrenesana, ary mainka sarotra ny fianarana miteny raha tsy mahare tanteraka izy. Azo heverina fa efa naharitra ela ny olan'ity lehilahy ity.

Takatr'i Jesôsy ny toe-java-tsarotra niainan'ity lehilahy ity ka nentiny niala teo amin'ny olona izy. Mahaliana ny fomba fanasitranan'ny Tompo, indrindra ho antsika mpamaky amin'izao vanim-potoana môderina izao. Nataony tao amin'ny sofin'ilay lehilahy ny rantsan-tanany, nandrora Izy, notendreny ny lelan'ilay lehilahy ary nisento izy. Nikasika ny faritra nila fanasitranana teo amin'ny tenan'ilay lehilahy izay hositraniny i Jesôsy; inona kosa no nampisento Azy? "Nisento [Izy] nieritreritra ny sofina izay tsy hisokatra handre ny fahamarinana, ny lela izay mandà ny hanaiky ny Mpanavotra." IFM, t. 431.

Nanao fahagagana i Jesôsy ka namerina ny fandrenesan'ilay lehilahy ary nanome azy fahafahana miteny. Ny sentony dia maneho ny fetra napetrak'Andriamanitra tsy hihoarany mahakasika ny safidy malalaka ananan'ny taranak'olombelona. Tsy afaka hanery ny safidin'ny olona Izy. Manana fahalalahana hifidy izay havelany hitondra ny fiainany ny olombelona rehetra -na ny Andrianan'ny fiainana na ny andrianan'ny haizina. Azon'i Jesôsy atao ny mampalady ny sofina marenina saingy tsy azony atao ny manery ny fo tsy mino hanaiky ny maha-Mesia Azy.

Asehon'io tantara fohy io ihany koa izay azon'Andriamanitra atao ho an'ireo mitodika Aminy an-tsitrapo. Efa niainanao angamba ny fahalainana hizara ny finoanao, mety tsapanao ho niraikitra ny lelanao ka tsy hitanao izay holazaina. Mampahery anao ity fahagagana ity ka maneho aminao fa azon'i Jesôsy Tompo atao ny manokatra ny sofinao mba handrenesanao ny zavatra ilain'ny hafa ka hizaranao teny izay hanohana azy ireo eo amin'ny dia sarotra ataony.

Inona no ataonao amin'ireo fanomezana nomena anao momba ny fandrenesana sy ny fitenenana (satria fanomezana tokoa ireny)? Ahoana no ampiasanao ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal