Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANANA MADIO SA FO MADIO?

Daty
Alatsinainy 05 August 2024

Vakio ny Mar. 7:14-19. Inona no tian'i Jesôsy hambara amin'ny ankamantatra nambarany ao amin'ny Mar. 7:15?

Zavatra saro-pantarina ho an'ny ankamaroan'ny olona ny tenin'i Jesôsy ao amin'io andalan-teny io noho ny fieritreretan'izy ireo ny fifandraisan'izany amin'ny fampianarana voalazan'ny Lev. 11 mikasika ny hanina maloto sy madio. Moa ve nofoanan'i Jesôsy ireo fanavahana ny maloto sy ny madio ireo? Moa ve diso ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito raha mampianatra fa ny Iisitry ny biby madio no tokony hohanin'ny mambran'ny fiangonana izay mihinan-kena?

Voalohany, toa hafahafa raha toa miala amin'ny torolalan'i Mosesy indray i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:14-19 kanefa vao avy nanamarina an'i Mosesy teo anatrehan'ny fomba fanaon'ny olona izy ao amin'ny Mar. 7:6-13.

Faharoa, ny fombafomba izay nasain'ny Fariseo notandremana dia tsy miorina amin'ny fampianarana ao amin'ny Testamenta Taloha; ny lalàna mikasika ny hanina maloto na madio kosa dia miorina amin'izany.

Fahatelo, raha nilaza ny Mar. 7:19 fa nanadio ny hanina rehetra i Jesôsy dia tsy midika izany fa foana ny lalàna mikasika ny hanina madio sy maloto. Midika kosa izany fa tsy manan-kery ny fombafomba noforonin'ny Fariseo mikasika ny fandotoana ny hanina amin'ny alalan'ny fikasihana izany. Ohatra amin'izany ny fiheverana fa raha maloto noho ny fifampikasohana amin'ny Jentilisa ny olona iray dia haloto ihany koa izy raha manendry ny hanina nokasihin'ny Jentilisa.

Vakio ny Mar. 7:20-23. Inona no nambaran'i Jesôsy fa mahalato ny olona?

Marihin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:19 fa tsy mankao amin'ny fo ny hanina fa ao an-kibo ary mivoaka any amin'ny fivoahana. Ambarany ao amin'ny Mar. 7:21-23 anefa fa avy ao amin'ny fon'ny olona no iavian'ny ratsy, ny fo izay ivon'ny maha-izy ny olona iray. Tanisainy ao ireo kilema izay miandoha amin'ny fisainan-dratsy ka miafara amin'ny asa ratsy.

Voasokajy ao anatin'ny faharatsiam-pitondran-tena ny fandikana ny didy fahadimy ao amin'ny Mar. 7:10, kanefa hita ao avokoa ireo didy rehetra ao amin'ny vato fisaka faharoan'ny didy folo. Miresaka momba ny fivavaham-poana i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7:7, dia ny fandikana ny votoatin'ireo didy efatra voalohany ao amin'ny didy folo izany. Araka izany, mijoro ho mpiaro ny Lalàn'Andriamanitra i Jesôsy amin'ny alalan'ireo andalan-teny ireo.

Mety mitana ny fampianarana marina ianao, kanefa mankaiza ny fonao, iza no mahazo izany amin'ny fahafenoany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal