Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANTARA MIFANOSONA : FIZARANA 1

Daty
Alarobia 17 July 2024

Vakio ny Mar. 3:20-35. Inona no ifandraisan'ireo tantara roa voalaza ao ireo?

Io andalan-tSoratra Masina io no "sandwich story" (tantara mifanosona) voalohany ao amin'ny Marka: manomboka amin'ny tantara iray aloha ny mpanoratra, avy eo dia misy tantara faharoa asosony, izay vao faranany ilay tantara voalohany.

Tapa-kevitra ny haka an'i Jesôsy ny havany satria noheverin'ireo fa very saina Izy (Mar. 3:21). lo no tantara voalohany. Ny tantara misosoka eo anelanelany kosa dia ny amin'ireo mpanora-dalána izay milaza fa miray tendro amin'ny devoly i Jesôsy (io tantara nasosoka io, ao amin'ny Mar. 3:22-30, no ifantohan'ny lesontsika anio).

Melohin'ny mpanora-dalána ho avy amin'ny devoly ny herin'i Jesôsy manasitrana ao amin'ny Mar. 3:22. "Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?" lo fanontaniana lehibe io aloha no nasetrin'i Jesôsy ny fanamelohany. Tsy mitombina ny hoe miasa manohitra ny tenany ihany i Satana. Niresaka momba ny fanjakana sy ny mpiray trano ary momba an'i Satana aza i Jesôsy ka nasehony fa fahadalana amin'ireo ny fisaraham-bazana raha mbola tiany koa ny hahomby. Avy eo Izy dia niresaka momba ny famatorana ny mahery mba hahazoana mandroba ny ao an-tranony. Ao amin'io sary an'ohatra farany io dia i Jesôsy no ilay mpandroba miditra ao an-tranon'i Satana, mamatotra ity mpanjakan'ny fahamaizinana ity, ka manafaka ireo eo ambany vahohony.

Vakio ny Mar. 3:28-30. Inona ilay heloka tsy azo avela, ary inona ny hevitr'izany?

Ny fahotana atao amin'ny Fanahy Masina no heloka tsy azo avela, dia ny miantso ny asan'ny Fanahy Masina hoe asan'ny devoly. Mariho fa ao amin'ny Mar. 3:30, ny antony nanaovan'i Jesôsy ny fanambarany ao amin'ny Mar. 3:28,29 dia satria nolazain'ny mpanora-dalana fa azom-panahy maloto Izy, kanefa raha ny marina dia ny Fanahy Masina no tao Aminy. Raha ataonao hoe asan'ny devoly ny asan'ny Fanahy Masina dia tsy hihaino ny Fanahy Masina mibitsika aminao ianao, satria tsy misy olona maniry hanaiky ny fitaoman'ny devoly, raha mbola vory saina koa.

Mety matahotra ianao andrao efa nahavita izany heloka tsy azo avela izany. Nahoana ny fahatsapanao izany tahotra izany no manambara fa tsy mbola vitanao ilay heloka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal