Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 3:1-16; Rôm. 2:25-29; Jao. 9:1-39; Efes. 1:4,10; 1 Kôr. 9:24-27. 

Tsianjery : "Eny, mba ho fantatro lzy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty." -Fil. 3:10,11.

Mbola misy fisalasalana mitoetra ao anatintsika mikasika ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany, izay tsy miankina amin'ny asan'ny lalana. Izany hoe, noho ny antony vitsivitsy, dia manana fironana hiantehitra amin'ny asantsika isika, toy ny hoe hahazoam-pamonjena izany. Manaitra ny fomba iresahan'i Paoly mikasika izany teboka iray izany ao anatin'ny tohan-kevitra mafonja manohitra ireo izay miziriziry amin'ny fiheverana fa ilaina ho amin'ny famonjena ny famorana.

Mba hisorohana ny fiheveran'ny olona sasany fa mitondra famonjena ny asa, toy ny famorana, dia ambaran'i Paoly mazava tsara fa ny fahamarinana dia fanomezana atolotr'i Kristy izay raisina avy amin'ny finoana fa tsy avy amin'ny lalana. Mety tsy miteraka adihevitra na olona amin'izao androntsika izao ny famorana, nefa azo antoka fa mbola manan-kery ny foto-kevitra raketiny.

Izany lohahevitra izany rahateo aza no niandohan'ny Fanavaozana protestanta: ny anjara asan'ny finoana sy ny asa ao anatin'ny fanandraman'ny Kristianina anankiray. Fehiny, i Kristy no zava-drehetra ho antsika, Ilay "Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy" - Heb. 12:2. Raha eo amin'ny toerana tokony hisy azy no ametrahana ny laharam-pahamehantsika, dia hiaina ao anatin'ny fahazoana antoka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika ary hifaly sahady amin'ny teny fikasana momba ny famonjena ka "tsy mitoky amin'ny nofo" (Fil. 3:3).

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.

Daty
Alahady 01 February 2026

Vakio ny Fil. 3:1-3. Inona no teny manana hevitra mia o sy mit ia a aon'i Paoly eto, ary ahoana no ifandraisan'izany? Toy ny ahoana ny fanoritsoritany ireo mpino?

Fehezanteny manana hevitra miabo no anombohan'i Paoly ny teniny, ary toy ny hoe mamarana ny epistiliny no famakiana izany. Tsy mbola tapitra anefa ny zavatra tiany hambara. Iverenany indray ny anankiray amin'ireo lohahevi-dehibe tao anatin'ity epistily ity: ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Ary hanome antony marobe ho amin'izany izy. Izao no zava-dehibe indrindra: i Kristy no tokony hitokiantsika fa tsy ny tenantsika, "Fa isika (...) manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo." - Fit. 3:3. Iza amintsika no efa nandray lesona naharary mikasika ny tsy tokony hitokiana amin'ny nofo?

Ny fampitandremana mafonja hoe "tandremo" (izay miverina intelo) dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Soratra Masina afa-tsy ao amin'ireo andalan-teny ireo irery ihany. Hita taratra eto fa fantatr'ireo Filipianina tsara ny loza manambana tokony hotandremana izay nambaran'i Paoly. Tsy olana telo samy hafa no tondroina eto fa andian'olona mpitondra fampianaran-diso izay soritsoritana amin'ny fomba telo samy hafa.

Ny olona ratsy fanahy na tsy mpivavaka teo amin'ny Isiraely fahiny dia nantsoina matetika hoe "amboa" (Fil. 3:2; ampitahao amin'ny Sal. 22:16; Isa. 56:10; Mat. 7:6; 2 Pet. 2:21,22). Azo antsoina hoe "mpanao ratsy" koa ny mpampianatra sandoka. Ny fanondroana azy ireo ho "voakilema" na "manapaka ny nofo" (Fil. 3:2, DIEM) dia mampiseho, tahaka ny ao amin'ny Galatianina sy ny boky hafa, fa manery ny hamorana ny mpino Jentilisa izy ireo, izay manohitra ny fitsipika napetraka tao amin'ny filan-kevitry ny apôstôly (Asa. 15).

Mahaliana tokoa ny manamarika fa ny vahaolana manoloana ireo fihaikana ara-panahy, anisan'izany ny fielezan'ny fampianaran-diso, dia ny "mifalia ao amin'ny Tompo" - Fil. 3:f; ampitahao amin'ny Fil. 4:4.

Tian'Andriamanitra ho faly isika, ary ny Teniny no karazana taridalana haha-zoana ny tena fahasambarana sy fifaliana maharitra. Anisanlizany fifaliana izany ny fahazoana ny famindrampon'Andriamanitra (Sal. 31:7), ny fametrahana ny fito-kiantsika Aminy (Sal. 5:11), ny fandraisana ireo fitahiam-pamonjena (Sal. 9:14), ny fanekena ny Lalany ho fomba fiainantsika (Sal. 119:14) [ao anatin'izany ny Sabata (Isa. 58:13,14)], ny finoana ny Teniny (Sal. 119:162) ary ny fananana zanaka manana toe-panahy araka an'Andriamanitra (Ohab. 23:24, 25).

Mety ho sarotra tokoa ny fiainantsika, na dia mety mizotra tsara aza izany ankehitriny. Na dia tsy izany aza no miseho amin'izao fotoana izao, Inona no mety ahazoanao fifaliana na tokony hifalianao? 

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.

Daty
Alatsinainy 02 February 2026

Fanandramana iraisan'ny Kristianina vao niova fo ny fisaintsainana momba ny fiainany taloha sy taorian'ny nandraisany an'i Jesôsy , tahaka izay ataon'i Paoly ao amin'ny Fil. 3. Misy fotoana iresahantsika momba ireo tsy Kristianina ka iantsoantsika azy ireo hoe "olona tsara"; maro anninizy ireny tokoa no tahaka izany raha araka ny fenitr'izao tontolo izao farafahakeliny. Kanefa, rehefa tsaraina amin'ny fenitr'Andriamanitra, dia tsy misy "tsara" na dia iray aza, eny fa na ny Kristianina aza.

Ambaran'i Paoly ao amin'ny Fil. 3:4-6 ny zavatra maro teo amin'ny fiainany izay nampirehareha azy fahiny. Inona avy izany? Inona no holazainao fa "tsara" eo amin'ny fiainanao (taloha sy ankehitriny)?

Asehon'i Paoly ankolaka eto ny fahasamihafana eo amin'ireo mpino Jiosy izay mampiely fampianarana sandoka sy ireo mpino tsy voafora izay rniantehitra tanteraka amin'i Kristy mba hahazoany famonjena ary koa tsy mitoky amin'ny asan'olombelona tahaka ny famorana (jereo ny Heb. 6:1; Heb. 9:14; ampitahao amin'ny Rom. 2:25-29). Na dia nahatonga an'i Paoly ho mendri-panajana teo anatrehan'ireo Jiosy namany aza ny fiainany tamin'ny lasa sy ny tetiarany, dia tsy misy miantoka ny famonjena azy izany na iray aza. Raha ny marina aza dia nanakana ny famonjena azy ny nanajamban'ireny zavatra ireny azy fahiny ka tsy nahatsapany ny filany anlj Kristy.

Tsy hoe voafora fotsiny i Paoly fa teraka Isiraelita ary anisan'ny vahoakan'ny fanekena, izany hoe noforana tamin'ny andro fahavalo taorian'ny nahaterahany. Ankoatra izany, dia avy amin'ny fokon'i Benjamina izy, foko izay nanana faritany nahitana ireo tanana nanana ny maha-izy azy indrindra teo amin'ny Isiraely. Tsy hoe nahay teny Hebreo fotsiny i Paoly fa mpianatr'i Gamaliela Loholona koa (Asa. 22:3; Asa. 26:4,5); ary amin'ny maha Fariseo azy dia nanam-pahalalana be mikasika ny lalana sy izay tokony hampiharana izany izy, farafahakeliny araka ny fomban-drazana.

Nafana fo tamin'ny fandalana ny lalana tokoa i Paoly ka nanenjika ny fiangonana noho ny fahitany izany ho loza mitatao ho an'ny fomba fiaina jiosy; noheveriny fa izany no nobaikoin'ny lalana hataony. Mahavariana tokoa, fa na dia "tsy nanan-tsiny" aza izy raha ny "fahamarinana" araka ny fihevitr'olombelona, dia takany fa zava-dalina kokoa ny lalana ary be fitakiana tokoa mihoatra noho izay noheveriny, ary raha tsy noho ny amin'i Kristy dia meloka izy eo anatrehan'ny lalana.

Ampitahao amin'ny Mat. 5:21,22,27,28 ny Rôm. 7:7-12. Inona no hevi-dehibe ambaran'i Jesôsy sy i Paoly mikasika ny lalana? Nahoana ny "finoana an'i Kristy" (Fil. 3:9), fa tsy ny lalana, no hany loharanon'ny fahamarinana? Jereo araka izao hevitra izao izany: mitandrina tsara ny lalana ye ianao, farafahakeliny araka izay nolazain'i Jesôsy fa tokony hitandremanao izany? 
 

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Daty
Talata 03 February 2026

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Daty
Alarobia 04 February 2026

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Daty
Alakamisy 05 February 2026

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Daty
Zoma 06 February 2026

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal