Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 10 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 6:6-8; Gen. 3:21-24; Ezek. 1:4-14; Apôk. 4:1-11; Nom. 2:3-25; Isa. 14:12-14.

Tsianjery:

"Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8

Miorina eo amin'ny toerana maha-Mpahary ny zavatra rehetra an' Andriamanitra sy eo amin'ny Toetrany ny zony hanapaka an'izao rehetra izao (Apôk. 4:11). Rehefa tonga amin'ny fahafantarana ny toetra marin'Andriamanitra isika vao manomboka mahatakatra ny fomba sy ny antony tsy hahatraran'ny olombelona mpanota ny voninahitr'Andriamanitra (Rôm. 3:23).

Hijery bebe kokoa mikasika ny fahitana momba ny seza fiandrianan' Andriamanitra isika amin'ity herinandro ity; hodinihintsika koa ny fomba ifandraisan'ny olombelona amin'ilay Andriamanitra masina sy ny fomba amerenan'ny sorona nataon'i Kristy antsika amin'ny laoniny sy ampanakaikezany antsika amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Drafitr'Andriamanitra ny hamerina antsika amin'ny laoniny, tsy ny tsirairay avy amintsika fotsiny fa isika taranak'olombelona manontolo, mba hanehoantsika indray ny Voninahiny amin'ny voary rehetra. Amin'ny fandalinana ny Baiboly ihany no hahitantsika ireo teboka manan-danja izay manampy antsika hahatakatra sy hanomboka hankamamy ny fiantsoana ambony niantsoan'Andriamanitra antsika, taranaka mpanota voavela heloka sy voavotra.

Hofaranana ary tsy hisy intsony mandrakizay ny fikomian'ny olombelona. Ary mihoatra noho izany, dia hamirapiratra bebe kokoa noho ny famirapiratany araka ny fikasany ho an'ny olombelona tany am-piandohana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana sy ny fandavan-tenany ary ny fahafoizan-tenany. Na dia tsy tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra aza ny hahalavo ny olombelona, dia nasongadina tamin'ny fomba miavaka tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 17 Mey.

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho

Daty
Alahady 11 May 2025

Taona vitsivitsy lasa izay no nanapahan'ny fiangonana iray hevitra hanavao ny lakavy efa tranainy mba hanaovana efitrano fiarahana mivavaka. Nametraka jiro vaovao no nataon'izy ireo voalohany satria noheveriny fa hahatonga ilay efitra ho tsara tarehy izany. Raha vao voapetraka anefa ireo jiro, dia vao mainka niseho ny faharatsian'ilay efitrano, satria maneho ny tsy fahatomombanana ny fahazavana mamiratra.

Nahatonga an'i Isaia nahatsapa tamin'alahelo ireo tsy fahatanterahany ny fahitana mahatalanjona nomena azy momba ny seza fiandrianan'Andriamanitra. "Lozako!" hoy ny fitarainany, "maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehôvah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko." - Isa. 6:5. Ho tahaka izany koa no tsapantsika raha toa isika entina eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Mazava tokoa ny famirapiratany ka mahaisotra ireo fialan-tsiny rehetra mety hananantsika. Tsapantsika ny maha-very antsika, rehefa eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Zava-mahagaga tsy mbola niainany hatrizay no natrehin'i Isaia tamin'izany.

Vakio ny Isa. 6:6-8. Fantatr'i Isaia fa ny fahotana dia midika ho "fahafatesana" ho antsika. Ny fahafatesana mantsy no tambin'ny ota. Tsy namela antsika iharan'ny vokatry ny fahotana anefa ilay Andriamanitra fitiavana fa manintona antsika hanakaiky Azy bebe kokoa. Inona no vokatr'io fihaonana io, ary nahoana izany no zava-dehibe?

Voadio tamin'ny fahotany i Isaia rehefa naka vainafo avy teo amin'ny alitara ny serafima iray ary nampitehika izany tamin'ny vavany. Azo heverina fa teo amin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra izany, izay nanaovana fanelanelanana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (jereo ny Apôk. 8:3,4). Voavela ny fahotany, ary izao dia noraisina ho mendrika hijoro eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy mihoatra noho izany anefa, dia nirahina hisolo tena an'Andriamanitra any amin'izao tontolo izao izy.

Mahaliana fa ny teny hoe "serafima" dia midika hoe "ilay mirehitra". Mariho ny teny nanoritsoritan'i Jesôsy ny asa fanompoana nataon'i Jaona Mpanao batisa ao amin'ny Jao. 5:35: "Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety [ora iray] tamin'ny fahazavany." Na dia mpanota aza i Jaona, nila fahasoavana sy famonjena, dia nampitodika ny olona ho amin'llay hitondra fahasoavana sy famonjena ny asa fanompoany.

Tonga tety amin'ny maha-fanehoana tonga lafatry ny voninahitry ny Ray Azy i Jesosy -ary Andriamanitra dia naniraka mpaminany iray, olona mpanota, izay nanao asa mitovy amin'izay nataon'ilay, serafiman'ny lanitra.

Rehefa fantatr'i Isaia fa voasasa ny fahotany vao nilaza Izy hoe: "Inty aho, iraho aho." Ahoana no hamallan'ny tsirairay avy amintsika tahaka izay nataon'l Isaia teto, rehefa voasasan'ny ran'i Jesôsy ny fahotantsika?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa

Daty
Alatsinainy 12 May 2025

Raha vantany vao noroahina tao amin'ny saha ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanome ny fanantenana momba ny Mesia Andriamanitra (Gen. 3:15). Rehefa izay dia nametrahany famantarana lehibe teo amin'ireo vavahadin'i Edena: kerôbima roa niaraka tamin'ny hazavana mamirapiratra teo anelanelan'izy ireo. Tsara ny mahatsiahy fa misy fitoviana betsaka amin'ny fiaran'ny fanekena io sary io, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Eks. 25:18).

Vakio ny Gen. 3:21-24. Inona ny asa nampiandraiketina ny kerôbima, ary inona no anton'izany?

Azo antoka fa nomena andraikitra hiaro ireo mpanota tsy hanatona ny hazon'aina ireo kerôbima (Gen. 3:22), nefa mampiseho fanantenana sy fampanantenana koa izy ireo, fa indray andro any dia haverina indray ao amin'ny paradisa ny taranak'olombelona. "Mbola nitoetra ela teto an-tany ny sahan'i Edena taorian'ny nandroahana ny olombelona tsy hanitsaka ireo lalana mahafinaritra tao. Mbola navela hijery ilay fonenana tsy nanan-tsiny nandritra ny fotoana naharitra ilay taranaka lavo fa ny lalana niditra tao ihany no nosakanan'ireo anjely mpiambina ny saha. Naseho teo amin'ny vavahadin'ny Paradisa nambenan'ny kerobima ny voninahitr'Andriamanitra. Teo i Adama sy ireo zanany no niankohoka tamin'Andriamanitra. Teo no nanavaozan'izy ireo ny voadim-pankatoavany ny lalana izay nodikainy ka nahatonga azy ho voaroaka tsy ho ao Edena intsony. (...) Amin'ny fotoana izay hamerenana ny toe-javatra rehetra amin'ny laoniny kosa, rehefa hiseho ny 'lanitra vaovao sy tany vaovao' (Apôk. 21:1), dia haverina indray izany ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - Patriarchs and Prophets, t. 62.

Mahaliana koa ny teny ampiasaina ao amin'ny Gen. 3:24: ambaran'ny Baiboly fa "nampitoerin" Andriamanitra tany atsinanan'ny saha Edena ny kerôbima, ary ny teny hebreo nampiasaina tamin'izany dia ny hoe "shakan" izay fototenin'ny "tabernakely" masina (jereo ny Eks. 25:9; Nom. 3:26), toerana izay nitoeran'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'ny vahoakany. Na dia tsy hita ao amin'ny Baiboly aza ny teny fampiasan'ny maro hoe Shekinah, mba hilazana ny fanatrehan'Andriamanitra, dia mifototra amin'io teny izay adika matetika hoe "tabernakely" io koa izany. Azo adika ara-bakiteny tahaka izao ny shakan, araka izany: "Nanao tabernakely ho an'ny kerôbima tany atsinanan'ny saha Edena Andriamanitra."

Ampifandraisina amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny kerôbima ao amin'ny Baiboly (jereo ny 1 Tant. 13:6; Sal. 80:1 ary ny Isa. 37:16), indrindra amin'ny seza fiandrianany izay iantsoana ny Anarany. Tokony ho voamaritsika fa ireo loholona 24 izay manatrika ny seza fiandrianan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 4 sy 5 dia manao hira fiderana ho Azy sy manambara ny zo ananany amin'ny maha-Mpamorona ny zavatra rehetra Azy (Apôk. 4:11). Manampy antsika izany hahatakatra ny toe-javatra miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny toerana tanantsika amin'ny maha-mpanota voavela heloka antsika eo amin'ny fifandraisana amin'ilay Mpahary antsika.

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra

Daty
Talata 13 May 2025

Hita manerana ny Testamenta Taloha ny kerobima, na amin'ny maha-voary velona azy (Ezek. 10:8) na ireo Gen. 27 sary volamena maneho azy ireo (Eks. 25:18). Matetika no anehoana azy ireo mijoro eo anilan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, maneho ny famirapiratan'ny voninahitr Andriamanitra amin'izao rehetra izao. Natao soratry ny ambainy manoloana ny Efitra masina indrindra ny kerôbima (Eks. 26:1). Ao amin'ny bokin'ny Salamo dia amin'ny endrika kanto no anehoana an-tsary ny fahefana lehibe ananan'Andriamanitra manoloana ny voary manontolo ka ny kerôbima no notaingenany nanidina teo amin'ny rivotra (Sal. 18:10). Nanome baiko koa Andriamanitra ny hanasiana kerôbima roa vita amin'ny volamena eo ambonin'ny fiaran'ny fanekena, ary ny elany dia mivelatra sy mifanendry (Eks. 25:18-20).

Vakio ny Ezek. 1:4-14. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo sy ny toe-javatra resahina ao amin'ny Isa. 6:1-6 sy ny Apok. 4:1-11?

Fanehoana mahatalanjona ny fahefan'Andriamanitra no natao tamin'i Ezekiela. Toe-javatra mahavery hevitra tahaka izay natrehin'ireo vahoakan'Andriamanitra velona tamin'izany andro izany no hitany: tsy ao amin'ny tany nampanantenaina ilay vahoaka voafidy fa babo tany Babilona. Rehefa nandinika ny toe-javatra naseho teo anoloany i Ezekiela dia niandrandra ary nahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra teo ambonin'izany rehetra izany.

Mariho ny fitoviana manan-danja hita eo amin'izany sy ireo fahitana hafa momba ny "seza fiandrianana." Mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina tao anatin'ny fahitana nomena an'i Jaona ny endrik'ireo zava-manana aina hitan'i Ezekiela: liona, voromahery, zanak'omby ary olona.

Tsy nomena anarana manokana ireo zava-manana aina saro-pantarina izay nanana endrika efatra ao amin'ny fanoritsoritana voalohany nataon'i Ezekiela. Ao amin'ny toe-javatra hafa miresaka momba ny seza fiandrianana kosa (jereo ny Ezek. 10:1-21), dia antsoina hoe "kerôbima" izy ireo. Hitantsika koa ny vainafo mirehitra ao amin'ny fahitana nomena an'i Isaia momba ireo serafima izay mitovy amin'ny endriky ny zava-manana aina voalaza ao amin'ny fahitana nomena an'i Jaona.

Isaky ny mahita ny seza fiandrianan'Andriamanitra isika - na eo amin'ny fiaran'ny fanekena izay toerana nihaonan'Andriamanitra tamin'i Mosesy izany (Eks. 25:22) na ao amin'ireo fahitana mahatalanjona nomena ireo mpaminany - dia eo mandrakariva ny kerôbima. Manana fifandraisana ety amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo. Natao haneho ny voninahitr'Andriamanitra ireo voary rehetra noforoniny - na ny olombelona izay noforonina araka ny endriny izany na ireo anjely izay nomena toerana akaikin'ny seza fiandrianany be voninahitra.

"Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha." Manao ahoana ny toerana misy anao eo anatrehan'ny fahamasinana atrehin'i Ezekiela eto? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny filanao ny filazantsara?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany

Daty
Alarobia 14 May 2025

Nanaraka ny fitarihan-dalana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny rahona ireo Isiraelita; niato izy ireo teo amin'ny dia lavitra nataony ho any amin'ilay Tany nampanantenaina; naoriny ny tabernakely, ary rehefa izay dia naoriny nanodidina izany ny lain'izy ireo foko telo isaky ny andaniny avy. Nidina teo amin'ny efitra masina indrindra ny fanatrehan'Andriamanitra ary nonina teo amin'ny vahoakany.

Nisy foko iray napetraka ho lohany teo amin'ireo andaniny efatry ny tabernakely. Iza ireo foko mpitarika ireo, araka ny Nom. 2?

Nom. 2:3 (Atsinanana):……………………………………………………………………………………

Nom. 2:10 (Atsimo): ……………………………………………………………………………………….

Nom. 2:18 (Andrefana):…………………………………………………………………………………..

Nom. 2:25 (Avaratra):……………………………………………………………………………………..

Mariho fa samy nanofahofa ny "fanevany" ny foko tsirairay izay napetraka ho lohany, mba hamantarana azy ireo. Tsy manoritsoritra mivantana ny zavatra hita teo amin'ny faneva tsirairay ny Soratra Masina saingy misy lovantsofina iray mahaliana, izay heverina fa miorina amin'ireo toetoetra hoenti-manoritsoritra ireo foko voalaza ao amin'ny Gen. 49 sy ny Deo. 33, mampifandray ny tsirairay amin'ireo endrika efatra amin'ireo andaniny efatra. "Araka ny lovantsofin'ireo raby, dia ny fanevan'i Joda no nahitana ny sarin'ny liona, ny an'i Robena kosa no nahitana sarin-dehilahy na lohan-dehilahy, ny fanevan'i Efraima no nitondra ny sarin'ny zanak'omby ary ny fanevan'i Dana no nahitana ny sarin'ny voromahery; mba ho hita eo amin'ireo faneva efatra ireo ny zava-manana aina efatra mitambatra ao amin'ny endriky ny kerôbima izay nosoritsoritan'i Ezekiela." Carl Friedrich Keil sy Franz Delitzch, Commentary on the Old Testament, b. 1 (Peabody, MA: Hendrickson, 2011), t. 660.

Azo heverina fa mety ho be loatra ny fanazavan-kevitra avy amin'ny lovan-tsofina, nefa mahaliana hatrany ny fampitahana izany lovantsofina izany amin'ny fanoritsoritan'ny Baiboly an'i Jerosalema Vaovao. Misy hevitra mahaliana hita avy amin'izany: misy vavahady izay maneho foko telo eo amin'ny andaniny efatra amin'ilay tanána (Apôk. 21:12,13).

Teboka iray manan-danja no iraisan'ireo fanoritsoritana ny tobin'ny Isiraely sy Jerosalema Vaovao: irin'Andriamanitra ny hanintona ny taranak'olombelona hanakaiky ny seza fiandrianany. Ampianarin'ny bokin'ny Apôkalipsy antsika fa "ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny." - Apôk. 21:22.

Mazava loatra fa tsy monina ao anatin'ny tobin'ny Isiraely Isika, inona anefa ireo fomba ahafahantsika manatona akaiky an'Andriamanitra, amin'izao fiainantsika izao?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera

Daty
Alakamisy 15 May 2025

Toa saro-takarina ny momba ny toerana nisy an'i Losifera fahiny, kerôbima manaloka, toerana iray ambony izay manakaiky ny seza fiandrianan'Andriamanitra izany. Azo antoka tokoa fa ho nanampy tamin'ny fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra amin'izao rehetra izao ny fisiany, saingy nanomboka nieritreritra momba ny voninahiny manokana izy fa tsy ny an'ilay Mpamorona. Raha ny marimarina kokoa, dia nanomboka nihevitra izy fa tsy nomena ny toerana mendrika azy.

Vakio ny Ezek. 28:11-17 sy ny Isa. 14:12-14. Inona no nahatonga ny fianjeran'i Satana? Ampitahao amin'ny Apôk . 14:1-12 ireo toko sy andininy ireo. Manampy anao hahatakatra ny zava-mitranga ao amin'ny Apok. 14 ny fampitahana ny fahalavoan'i Losifera sy ny toerana ambony misy ny olombelona ao amin'i Kristy, amin'ny fomba ahoana?

Mariho ny nanesorana an'i Losifera teo amin'ny tendrombohitra masina raha nijoro teo an-tendrombohitra Ziona niaraka tamin'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra ny voavotra. Voalaza fa tany Edena i Losifera; tao koa ny olombelona fahiny, saingy tsy tahaka ny nanjo an'i Satana, ny olona dia haverina indray ao amin'ny Paradisa amin'ny alalan'i Kristy. (Jereo ny Apôk. 22:1-3).

Tahaka izao ny fampahafantarana nataon'i Ellen G. White mahakasika izany tontolon-kevitra izany: "Hihoby ny lanitra, satria ny toerana banga any an-danitra vokatry ny fahalavoan'i Satana sy ireo anjeliny dia hofenoin'ireo voavotr'i Jehôvah ." - The Advent Review and Sabbath Herald, 29 Mey, 1900.

Ary tonga any an-danítra ireo voavotra ireo, noho ny amin'ny filazantsara irery ihany. Aseho an-tsary ao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 4 sy 5 ny lohahevitry ny filazantsara sy ny fanavotana. Izao, ohatra, no ambaran'ny anjely ao: "Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9. Sary maneho ny filazantsara tokoa izany, ary koa maneho ny fahafatesan'i Jesôsy ho fanavotana ny taranak'olombelona!

Mariho koa ny fomba fiteny ampiasaina izay maneho taratra ny hafatry ny anjely voalohany miantso antsika hitory ny "filazantsara mandrakizay (...) man amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk, 14:6. Fanehoana miezinezina ny fahafenoan'ny zavatra nataon'i Kristy ho an'izao tontolo izao izany. Tsy misy olombelona eo amin'ny tantaran'ny tany manontolo izay tsy nanoloran'i Kristy ny ainy, ny hany ilain'izy ireo dia ny mahalala izany sy mifidy ny hanaiky izany.

Inona no anjara asa tanantsika, amin'ny maha-isika antsika sy amin'ny maha-fiangonana antsika, eo amin'ny fampahafantarana ny olona ny zavatra nataon'i Kristy ho azy?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 16 May 2025

Vakio ny toko faha-42 ao amin'ny HM, "Mifarana ny ady."

Nitady izay hampisalasala ny voary ny amin'ny fiandrianan'Andriamanitra i Satana, ilay kerôbima manaloka fahiny. Navelan'Andriamanitra hanohy ny fikomiany ireo anjely lavo mba hanehoana amin'izao rehetra izao ny halalin'ny faharatsiam-panahy avy amin'ny fanandratan-tena. Voafitak'i Satana ny taranak'olombelona ka notaominy hiady amin'Andriamanitra miaraka aminy, nefa niharihary ny fandresen'i Kristy an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana. Izany no nanome antoka ny olona momba ny toerana ho azy ireo eo amin'izay nisy ireo anjely lavo fahiny. Manohitra ampahibemaso ny fanambaran'i Losifera ireo mpanota, ao amin'i Kristy. Ary ny toe-javatra farany, dia fanambarana lehibe lavitra momba ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fitiavany izay efa nisy talohan'ny nahalavoan'i Losifera. Tsy fikasan'Andriamanitra velively ny hisian'ny ratsy, ary toe-javatra mahonena izay manana vokany mandrakizay izany, saingy rehefa tapitra izany dia hiseho amin'ny fomba tsy mbola nahitana azy hatrizay ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fitiavany.

"Mijery ny voavotra nohavaozina indray araka ny endriny Izy [Kristy], mandinika ny fo tsirairay mitondra tanteraka ny endrik'Andriamanitra, ny tava tsirairay mitaratra ny fitoviana amin'ny Mpanjakany. Mijery ireo vokatry ny fisasaran'ny fanahiny Izy ka afa-po. Rehefa izany dia miteny amin'ny feo mahery Izy izay ren'ireo vahoaka sesehena tafavory, na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy, hoe: 'Indreto ny navotana tamin'ny rako! Ho an'ireo no nijaliako; ho an'ireo no nahafatesako, mba ahazoany mitoetra eto anatrehako mandritra ny mandrakizay.' Dia misandratra avy amin'ireo miakanjo fotsy manodidina ny seza fiandrianana ny hira fiderana manao hoe: 'Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray ny hery sy ny harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra!'- Apôk. 5:12." - HM, t. 698.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Alao sary an-tsaina ianao mijoro eo anatrehan'Andriamanitra miaraka amin'ny tsy fahatanterahanao sy ny kileman-toetranao rehetra, ny asa ratsy nataonao sy ny fisainan-dratsy rehetra tao anatinao, ary ny hery manosika tsy araka ny tokony ho izy rehetra izay miharihary tanteraka eo imasony! Inona no sahaza anao araka ny hitsiny sy ny rariny? Inona no hany fanantenanao amin'izany? Nahoana no tsy maintsy manana ny "fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho an'izay rehetra mino" - Rôm. 3:22 isika mba handrakotra antsika ankehitriny sy amin'ny fotoam-pitsarana izay ilantsika izany indrindra? Raha fintinina, nahoana isika no mila ny filazantsara?

2. Nitana ny toeran'ny serafima i Jaona Mpanao batisa, araka izay hitantsika, jiro mirehitra mazava (jereo ny Jao. 5:35). Mpialoha làlana an'i Kristy tokoa izy, nanambara ny fisehoan'ny Mesia voalohany. Ahoana no itanan'ny vahoakan’Andriamanitra amin'ny andro farany anjara toerana ara-paminaniana mitovy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal