Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 17 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:1-11; Jer. 17:9; 4:8; 1 Kôr. 8:2: Ram. 8:3; Heb. 2:14-18.

Tsianjery: "Dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra." - FiI. 2:2 

"Ny firaisan-kina no hery." Ny fahafantarana ny fahamarinan'izany anefa Ntsy midika ho fampiharana azy. Imbetsaka isika no tsy mahomby na dia manao ny ezaka tsara indrindra aza mba hisian'ny firaisan-tsaina. Izany anefa tsy midika ho finiavana handrava ny firaisana. Tsy mahagaga, araka izany, raha toa i Paoly nanohy nanoratra ho an'ireo Filipianina; niriny ny hiraisan'izy ireo saina.

Ny fampianaran'i Jesôsy sy ny ohatra nasehony no ampiorenan'i Paoly ny lanjanlny firaisana. Lohahevitra hitantsika manerana ny Testamenta Vaovao izany, ary indrindra ao amin'ireo epistily nosoratany. Ny avonavona ary koa ny faniriana fatratra toeram-boninahitra sy fahefana tao am-pon'ny anjely iray tany an-danitra no tsimoka nipoiraniny fisaratsarahana eto amin'izao rehetra izao. Fihetseham-po izay nihanaka haingana izany na dia tao anatin'ny tontolo iray tonga lafatra aza (jereo ny Isa. 14:12-14). Rehefa izay, dia niorim-paka tao Edena izany, tamin'ny alalan'ny tsy fahafaliana tahaka izany koa manoloana ireo fitsipika napetrak'Andriamanitra ary noho ny faniriana hiakatra ho amin'ny toerana ambony kokoa noho izay efa notendren'Andriamanitra (Gen. 3:1-6).

Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny fototra ara-Baibolin'ny firaisana eo anivon'ny fiangonana; hifantohantsika manokana amin'izany ny fietren'i Jesôsy sy ireo lesona azontsika raisina avy amin'ny fibanjinana Azy ary ny fomba hahafahantsika mitombo ho amin'hy fanahafana Azy. 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.

Daty
Alahady 18 January 2026

Vakio ny Fil. 2:1-3. Inona no azo heverina fa niteraka ny fisaratsarahana tao amin'ny fiangonana? Inona no fanefitra atoron'i Paoly manoloana izany?

Azo inoana fa lehibe tokoa ny fahadisoam-panantenan'i Paoly raha nahita ny fiangonana naoriny sy nolalainy fatratra nozarazarain'ny fifampiandaniana sy nokikisaniny fifandirana. Fiteny mahery vaika tokoa no ampiasainy mba hiresahana momba izany olana izany. Ny hoe "fifampiandaniana" (na "filan-dera foana" ao amin'ny dikantenin'ny Baiboly katolika) dia dikan'ny teny iray (grika: erithela), izay ampiasainy ao amin'ny Fil. 1:17 mba hiresahana momba ireo fahavalony tany Roma izay tia tena tokoa ka naniry ny hampisongadina ny tenan'izy ireo fa tsy ny hampandroso ny asan'i Kristy.

Anankiray amin'ireo asan'ny nofo ny "fifampiandaniana" (Gal. 5:20), ary i Jakoba dia nilaza izao teny izao: "Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbarninlzay asa ratsy rehetra." - Jak. 3:16. Ao amin'ny Testamenta Vaovao ihany no ampiasana ny teny grika izay adika hoe "rnandrani-tena foana" (Fil. 2:3), fa any amin'ny lahatsoratra ivelan'ny Baiboly kosa dia tahaka izao ny hevitrizany: avonavona, fireharehana poakaty ary fiheveran-tena ho zavatra. Mampiasa teny mitovitovy amin'ireo i Paoly ao amin'ny fananarana nataony tamin'ny Galatianina: "Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana." - Gal. 5:26.   
Mariho ireo fanefitra tanisain'i Paoly ho an'ireo olana ireo:       
     1. Fampirisihana ao amin'i Kristy. Mampiasa ny ohatra nasehon'i Kristy Paoly ho fampirisihana lehibe.     
     2. Farnpiononana avy amin'ny fitiavana. Maneho ny fitiavan'Andriamanitra i Jesosy ary mandidy antsika "mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo." - Jao. 15:12.      
     3. Firaisana amin'ny Fanahy. Ny fanatrehan'ny Fanahy Masina no miteraka fifandraisana ety eo amin'ny Kristianina, tahaka izay nisy teo anivon'ny fiangonana voalohany (Asa. 2:42: ampitahao amin'ny 2 Kôr. 13:14).      
     4. Famindrampo. Hitantsika matetika teo amin'ny fiainan'i Kristy izany toetran'Andriamanitra izany (jereo ny Mat. 9:36; Mat. 20:34; Mar. 1:41) ary voaresaka ao amin'ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy (Lio. 10:33) sy ny zanaka adala (Lio. 15:20). 
     5. Fiantrana. lo toetra iray io, izay hita tea amin'i Jesôsy, dia tokony ho hita eo amin'ny fiainan'ireo mpanara-dia Azy koa (Lio. 6:36). 
     6. Mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra. Sary manao ahoana re izany! Sarotra ny mahazo an-tsaina ny fomba hafa noho izany, izay hahafahan'i Paoly manasongadina bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina. Araka izay holazainy ao amin'ny andininy manaraka, dia tokony ho ao amintsika ny saina "izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa." - Fil. 2:5. 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.

Daty
Alatsinainy 19 January 2026

Saintsaino bebe kokoa ny fanasongadinan'i Paoly ny firaisana ao amin'ny Fil. 2:2, izay ilazany zavatra iray ihany amin'ny fomba efatra samy hafa. Mariho koa ny fifantohany amin'ny saina sy ny hevitra ary ny fo. Nanana fironana hifantoka tamin'ny fiseho ivelany ireo mpitondra fivavahana, fa i Jesôsy kosa nifantoka tamin'ny fisainan'ny olona sy ny fihetsehampony. Ilay tovotahy mpanapaka, ohatra, dia nilaza fa efa nitandrina ny didy mandrakariva. Kanefa nizaha toetra ny fifikirany tamin'ny zavatry ny tany ny filazan'i Jesôsy taminy mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanome izany ho an'ny mahantra ary hanaraka Azy. Nilaza koa i Jesosy fa izay avy amin'ny fo (na avy amin'ny saina) no mahaloto ny olona: "Fa avy amin'ny fo no ivoahan`ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy." - Mat. 15:19, ary "avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava." - Mat. 12:34. 

Vakio ny Fil. 2:3,4. Inona no fepetra mazava tokony horaisina, araka ny fampirisihan'i Paoly, mba hisian'ny firaisana eo anivon'ny fiangonana?

Maneho sarin'ny fanetren-tena ny tenin'i Paoly eto: fanetren-tena, fanaovana ny namana ho mihoatra noho ny tena, fiheverana ny an'ny hafa fa tsy ny an'ny tena ihany. Mora kokoa ny miteny izany noho ny manatanteraka, sa tsy izany? Kanefa ireo fitsipika ireo dia manan-danja ka tokony hohazonina ao an-tsaina eo amin'ny fifandraisana rehetra ifandraisantsika amin'ny hafa. Mandritra ny fifampiresahana amin'ny hafa, dia matetika isika no manana fironana hifantoka amin'ny valinteny hasetrintsika raha tokony hihaino mba hahatakarana izay lazain'ny ankilany ary koa hiezaka hijery ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny. Avy amin'ny tsy fifankahazoan-kevitra matetika no ahaterahan'ny ady, kanefa ny fahaiza-mihaino ihany dia azo nisorohana izany. Mety tsy hiombon-kevitra amin'izao isika, nefa ny fihainoana sy ny fitadiavana hahatakatra ny fomba fijerin'ny ankilany no dingana voalohany mankamin'ny fifandraisana tsara sy ny fifampitokisana.

Miresaka momba "ny firaisana avy amin'ny Fanahy' (Efes. 4:3, izay miteraka ny "fihavanana, izay fatorana mampiray' (Efes. 4:3, DIEM) i Paoly. Raha misy fifandonana ao anatininy fiangonana, dia hain'ny Fanahy Masina ny mampitony ny fisamboaravoara ka mitondra antsika ho amin'ny firaisana izay miteraka firindrana. Ao amin'io toko io ihany no iresahan'i Paoly momba ny "firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra." - Efes. 4:13. Mifandray ireo zavatra roa ireo. Zava-dehibe ho an'ny fisian'ny firaisana eo anivontsika ny fananana finoana iray ihany sy fahatakarana iray ihany ny Soratra Masina izay teraka avy amin'ny fahalalana an'i Kristy sy ny fampianarany.

Fahafatesan'ny "izaho" manao ahoana no hahatonga antsika hanao ny hafa ho mihoatra noho ny tenantsika? Ahoana no hianarantsika hanao izany? Ho samy hafa manao ahoana ny fifandraisantsika amin'ny hafa raha toy izany ny fomba fiainantsika? 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?

Daty
Talata 20 January 2026

Mihamitombo hatrany maneran-tany ireo orinasa mikaroka ny fomba hampitambarana ny fahaiza-manaon'ny solosaina sy ny atidohan'olombelona. Toy izao izany raha lazaina amin'ny teny hafa: ny fampifandraisana ny atidoha amin'ny solosaina dia antenain'ny mpahay siansa fa hahafahana mifehy ny fisainantsika amin'ny alalan'ny solosaina. Mety mampanantena vokatra tsara ny fametrahana fitaovana kely ao amin'ny atidohan'olombelona, anisan'izany ny fanampiana amin'ny fifehezana ny aretina androbe sy ny fahaketrahana ary ny aretin'i Parkinson. Na izany aza anefa, dia azo heverina ny hampiasana izany ho amin'ny tanjona mampanahy; tsy isalasalana fa mety ho isan'izany ny fifehezana ny fisainana.

Amin'ny lafiny iray, dia efa izany tokoa no mitranga. Tahaka ny solosaina iray ny saintsika, saingy mbola ambony lavitra noho izany ny tanjany sy ny fiasany. Ny zava-misy miseho tsy tapaka manoloana antsika dia mamolavola ny saintsika sy manana hery miasa mangina ea amin'ny fisainantsika ary manoritra ny asa ataontsika. Rehefa milomano ao anatin'ny haino vaky jery be loatra isika, dia mamela marika ao amin'ny saintsika ny fomba fisainan'izao tontolo izao ka manjary mitovy fomba fihevitra amin'izy ireo isika. Toy ny hoe apetraka na akambana amin'ny atidohantsika ny fisainan'ny hafa.

Tokony ho "araka ny Fanahy" tahaka an'i Jesosy isika, ka hampifantoka ny saintsika amin'ny zavatry. ny Fanahy (Rom. 8:5). Hoy i Paoly: "Tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany" izay mifanohitra amin'ny "fanahinizao tontolo izao" - 1 Kôr. 2:11,12. Iza no mpampianatra antsika? Ary Inona ny lesona ianarantsika?

Vakio ny Fil. 2:5. Araka ny hevitrao, midika Inona ny hoe manana ny "sain'i Kristy?

Raha ny marina, dia afaka miova hevitra isika, saingy tsy afaka manova ny fontsika; Andriamanitra irery no mahay manao izany. saintsika ny handidian'ny Fanahy Masina ny fontsika, ka ampiasany ny "sabatry ny Fanahy (Efes. 6:17), ilay tenin'Andriamanitra izay "velona sy mahery" ka "manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo." - Heb. 4:12. Amin’ny alalan'ny Fanahy Masina irery ihany no hahafahantsika mamantatra marina ny tenantsika, satria mamitaka antsika ny fontsika (Jer. 17:9). Ny teny hebreo ilazana ny hoe "mamitaka" ('agov) dia manondro tany mikitoantoana izay mety hahatafintohina antsika. Raha tsarina, dia manondro fisainana feno tsy fahamarinana sy tsy fahitsiana izany. Tsy maintsy ovana isika, amin'ny alalan'ny "fanavaozana" ny saina mba hahaizantsika mamantatra "ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:2. 

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanarahantsika izay Iazain'i Paoly amintsika hoe: "Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona mahate-ho-tia, na Inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany." Fil. 4:8? 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.

Daty
Alarobia 21 January 2026

Hoy i Mohamed Ali, indray andro: "izaho no mahery indrindra." Tamin'ny volana Aogositra 1963, enim-bolana talohan'ny nandreseny tamin'ny fifanintsanana maneran-tany amin'ny ady totohondry ho an'ny sokajy vaventy, dia namoaka raki-peo izy, izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "izaho no mahery indrindra". Tsy isalasalana fa mpanao fanatanjahantena manana ny maha-izy azy tokoa i Ali, saingy tsy ohatra natao harahina izy ho an'izay maniry hanana ny sain'i Kristy.

 Tsy mba toy izany i Jesôsy izay tsy nanana eta velively. Na dia nalaim-panahy "tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika" aza Izy (Heb. 4:15), dia tsy mba nanota, eny fa na dia tamin'ny eritreritra iray monja aza. Na izany aza, dia hay ny Heb. 5:8: "nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny lzy, na dia Zanaka aza." Tonga lafatra mandrakariva ny fileferan'i Jesôsy tamin'ny sitrapon'ny Ray. Tsy nisy mihitsy fotoana izay nandavany tsy hilefitra tamin'izany, na dia tsy isalasalana aza fa tsy mora mandrakariva izany.

Vakio ny Fil. 2:5-8, andalan-teny izay heverin'ny olona sasany fa kanto sy mafonja indrindra ao amin'ny Soratra Masina. Inona no ambaran'i Paoly amintsika eto? Inona no tian'ireo teny ireo hambara? Ary ny tena manan-danja indrindra: ahoana no ampiharantsika eo amin'ny fiainana ny fitsipika voalaza eto?

I Jesôsy, Ilay mitovy amin'Andriamanitra, Ilay Andriamanitra, dia tsy nitafy nofo fotsiny fa tonga "mpanompo" (doulou, mpanompo, andevo) ary avy eo nanolotra. ny ainy ho fanatitra noho ny otantsika! Any amin'ny boky hafa, dia ambaran'i Paoly fa tonga "voaozona hisolo antsika" Izy (Gal. 3:13, DIEM). Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, no maty tee amin'ny hazo fijaliana mba ho Mpanavotra antsika koa, ary noho ny amin'izany no tsy maintsy nahatonga Azy ho ozona noho ny amintsika.

Ahoana no hataontsika mba hahatakarana ny tian'izany hambara? Ary mihoatra noho izany, ahoana no hanatanterahantsika izay asain'ny lahatsoratra ataontsika, dia ny hanana fahavononana hanetry tena sy hahafoy tena ho an'ny tombontsoan'ny hafa?    
Izao no Iazain'i Jesôsy any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly: "Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetra tena no hasandratra." - Mat. 23:11,12. Izany no maneho taratra, amin'ny lafiny maro, ny zavatra asain'i Paoly ataontsika koa ao amin'ny Fil. 2:5-8. 

Raha atao amin'ny fiteny manaitra sy mazava kokoa, dia izay efa voalazan'i Paoly tea aloha momba ny tsy fanaovana na Inona na Inona "amin'ny fifampiandaniana" (Fil. 2:3) no lazainy eto.

Ahoana no tokony hataontsika eo anatrehan'izay efa nataon'i Kristy ho antsika, araka izay voalazan'ny Fit. 2:5-8? Inona no valinteny azo heverina fa "mendrika" asetry ny zavatra nataon'i Kristy ho antsika, ankoatra ny fandohalehana eo anatrehany sy ny fiderana Azy? Nahoana no fahadisoana lehibe ny fiheverana fa afaka manampy izay efa nataon'i Kristy ho antsika ny asantsika? 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 22 January 2026

Andalan-teny iray fanta-daza ao amin'ny Baiboly ny 1 K6r. 8:2: "Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantasy akory izy." Tsy misy lohahevitra iray izay fantatsika ny momba azy rehetra. Azontsika atao mandrakariva ny mahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny zavatra rehetra. Manao ahoana moa no mampitombina izany bebe kokoa raha momba ny fahamarinana mandrakizay mifandraika amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo? Matetika i Paoly no miresaka momba ny fietrena mahagaga nasehonli Kristy tamin'ny nahatongavany ho olona. Na ny mandrakizay aza dia tsy ampy mba handalinana momba izany lohahevitra izany.

Vakio ny Rom. 8:3; Heb. 2:14-18 ary ny Heb. 4:15. Inona no nanamarika ny fietren'i Jesosy sy ny nandraisany ny toetry ny olombelona?

Ahoana no nahatongavan'ilay Zanak'Andriamanitra mandrakizay ho olona sady Andriamanitra tao an-kibon'i Maria, tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina (jereo ny Lio. 1:35)? Tsy takatry ny saina ny nahatongavan'llay tsy manam-petra sy mandrakizay ho olona mety maty. (zany no ivon'izay antsoin'i Paoly hoe: "zava-rniafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriarnanitra." - 1 Tim. 3:16.

Ao amin'ny hira fiderana kanton'ny Fil. 2 no amelabelaran'i Paoly izany fietren'Andriamanitra izany amin'ny fomba feno kokoa raha oharina amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina.  
   • "Nanana ny endrik'Andriamanitra" - Fil. 2:6. Ny teny hoe morphe (endrika) dia maneho ny toetran'Andriamanitra izay itovian'i Jesosy amin'ny Ray (ampitahao amin'ny Jao. 1:1). • "Nofoanany ny tenany" - Fil. 2:7. Mahatalanjona tokoa ny toetra feno zava-miafina nananan'i Jesosy tamin'ny nanafoanany ny tenany ka namoizany ny zo maha Andriamanitra Azy, mba hahatonga Azy ho tena olombelona sy halaim-panahy tahaka antsika. 
   • "Nanetry tena" - RI. 2:8. Rehefa nitafy ny toetry ny olombelona i Jesosy dia niala avy tamin'ny fahamboniana manerana izao rehetra izao ka naka ny toeran'ny mpanompo; nifanohitra tanteraka tamin'izany ny tanjon'i Losifera. 
   • "Fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana'' - Fil. 2:8. Tsy misy fomba manala baraka mihoatra noho izay nofidin'i Jesôsy hahafaty Azy. Nanomana izany niaraka tamin'ny Ray Izy tao anatininy "fisainam-pihavanana" (Zak. 6:13), naneho izany mialoha tamin'ny alalan'ny fanandratan'i Mosesy ny menarana (Nom. 21:9; Jao. 3:14) ary tonga "ota hamonjy antsika (...) mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21.  

Mety hahatonga antsika ary tokony hahatonga antsika hanetry tena sy hilefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra kokoa ny fifantohana amin'izay nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Amin'ny fomba ahoana? 

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 23 January 2026

"Ny fitiavan-dray izay niampita tamin'ny taranaka nifandimby tamin'ny alalan'ny fon'olombelona, ny loharanom-pitiavana rehetra izay nivoha tao amin'ny fon'ny olona, dia toy ny sakeli-drano kely ihany manoloana ny ranomasimbe tsy hita fetran'ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy misy lela mahalaza izany na penina mahasoritsoritra ny momba azy. Mety hisaintsaina momba izany isan'ardro ianao mandritra ny androm-piainanao, mety hianatra ny Soratra Masina amin-kafanam-po ianao mba hahatakaranao ny heviny, mety hanetsika ny hery sy ny fahaiza-manao rehetra nomen'Andriamanitra anao ianao mba hahatakarana ny fitiavana sy ny fangorahan'ilay Ray any an-danitra, nefa rnbola tsy mety hitanao ny faran'izany. Mety handalina momba izany fitiavana izany mandritra ny taona maro ianao, saingy tsy ho takatrao amin'ny fahafenoany izay sakany sy lavany ary haavony sy halalin'ny fitiavan'Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny Zanany ho faty ho an'izao tontolo izao. Na ny mandrakizay aza tsy ampy hampahafantarana izany tanteraka. Kanefa, rehefa mandinika ny Baiboly isika ary misaintsaina momba ny fiainan'i Kristy sy ny drafi-panavotana, dia hihamitombo hatrany ny fahatakarantsika ireo lohahevi-dehibe ireo." - TFC, b. 5, t. 740.

"Rehefa mandray fiofanana isika, tahaka izay nataon'i Mosesy tao amin'ny sekolin'i Kristy, Inona ny lesona hianarantsika? Ny ho tonga mpiavonavona ve? Ny hihevi-tena ho zavatra? Tsy izany velively. Arakaraka ny ianarantsika ao amin'io sekoly io no handrosoantsika amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena. Aoka isika tsy hihevrtra fa efa mahalala izay rehetra tokony ho fantatra. Tokony hampiasa amin'ny fomba tsara indrindra ireo talenta nomen'Andriamanitra antsika isika, ka rehefa hovana ho tsy mety maty isika, dia tsy ho very izay efa nianarantsika fa hoentintsika any an-danitra. Mandritra ireo taona tsy manam-pahataperan'ny mandrakizay, dia i Kristy sy ny asam-panavotana nataony no lohahevitra hodinihintsika." - Ms 36, 1885.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

 1. Inona avy ireo fomba efa niainanao ny fanandramana momba ny maha zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra? Resaho ao amin'ny kilasy ireo fomba samy hafa nahatongavanao ho arnin'ny fahafantarana sy fiainana izany fitiavany izany.

2. Inona no tena hevitry ny nahatongavan'i Jesosy "ho manam-pitoviana amin'ny olona"- Fil. 2:7? Ampitahao amin'ny Rom. 8:3 'zany. Ifanakalozy hevitra ny momba ireo toko sy andininy ireo ary ampifandraiso ny hevitra ambarany.

3. Inona ny fihaikana mikasika ny firaisana izay atrehin'ny fiangonana misy anao? Na inona na Inona olana, dia fomba iray rnanan-danja anombohana ny famahana izany fly fetezana hanetry tena, ny tsy hanao na Inona na inona "amin'ny fifampiandaniana" - Fil. 2:3; nahoana? 
 

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:12-30; Rom. 3:23,24; Rom. 5:8; 2 Tim. 4:6; 1 Kôr. 4:17; 2 Tim. 4:21, 13; Lio. 7:2.

Tsianjery "Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." — Fil. 2:14,15. 

Nasain'Andriamanitra nankato ny Hebreo satria ny fankatoavana "no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalana rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona henthy sy manan-tsaina tokoa io firenena io" hoy Izy — Deo. 4:6.

 Hoy i Jesôsy taonjato maro taty aoriana: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina."— Jao. 8:12. Hoy koa lzy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." — Mat. 5:14. Ahoana no hahatonga antsika ho fahazavana toy izany? Amin'ny alalan'ny fifandraisana ety amin'i Jesôsy ihany, llay "tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao."— Jao. 1:9. Araka ny voalazan'ny Fil. 2: "izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesôsy no handohalehan'ny lohalika rehetra, (...) sy haneken'ny lela rehetra fa Jesôsy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray"- Fil. 2:9-11.

Azontsika rehetra izay nanolo-tena ho an'i Jesôsy atao ny manana ny fahazavana sy ny hery avy any an-danitra. Kanefa matetika loatra isika no miandry an'Andriamanitra hanao ny zava-drehetra, na koa ny hevitsika sy ny drafitsika no manakantsakana izany. !zany no mahatonga ny tenin'i Paoly ho an'ny Filipianina ho manan-danja tokoa ankehitriny. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal