Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy pentimpentina

Daty
Sabotsy 14 September 2024

"(...) Dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (...) mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy." - Efes. 5:25,27. 

Mofon’aina:
Mitondra ny anarana Kristia-nina isika, ka aoka mba ho marina eo anatrehan'izany anarana izany. Ny maha-Kristianina dia midika ho fanahafana an'i Kristy. Midika ho fanarahana Azy amin'ny fandavan-tena izany, fanandratana ny Fanevan'ny fitiavany, fanomezam-boninahitra Azy amin'ny teny sy ny asa tsy misy fitiavan-tena. (...) Tsy nisy fiheverana momba ny tena teo amin'ny fiainan'i Kristy (...). Nitafy ny toetsika Izy, ary niaina fiainana feno fanoloran-tena tanteraka ho an'izay mahasoa ny hafa. (...)

Tokony haneho ireo toetran'i Kristy ny Kristianina, eto amin' ity tany ity - tontolo izay anjakan'ny heloka sy ny faharatsiam-pitondrantena. ( . .. ) Irin' i Kristy ny haneho azy ireo "tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany" eo anatrehan'ny Ray (...).

Tamin'ny halehiben'ny fitiavany no nanoloran'i Kristy ny ainy ho antsika. (...) Rehefa feno ny fanoloran-tenantsika, dia azon'i Kristy tontosaina ny asa efa natombony ho antsika tamin'ny nanolorany tanteraka ny Tenany. Amin'izay vao hotanterahiny amintsika ny famerenana antsika amin' ny laoniny tanteraka.

Nanolotra ny Ainy ho fanavotana ny taranak'olombelona i Kristy, mba hananan'izay rehetra mino Azy fiainana mandrakizay. Handray avy amin'ny Mpamonjy ny fanomezana sarobidy indrindra ireo izay mankasitraka izany sorona lehibe izany - fo madio. Fanandramana sarobidy lavitra noho ny volamena na ny volafotsy sy ny vatosoa no azon'izy ireo. Miara-monina amin'i Kristy any amin'ny fonenana any an-danitra izy ireo, ka amin'ny firaisana Aminy no ifaliany amin'ny fiadanana sy ny fifaliana (...). Tia Azy amin'ny fo sy ny saina ary ny fanahy sy ny heriny izy ireo, satria tsapany ny maha-lova novidin'i Kristy azy tamin'ny Rany. (...)

Heverinao ve fa tsy manome tombambidy ireo izay miaina tanteraka ho Azy i Kristy? Moa ve ianao mihevitra fa tsy mamangy ireo izay tahaka an'i Jaona ilay malalany Izy, izay tany amin'ny toerana sarotra sy feno fitsapana noho ny Aminy? Hitany ireo izay mahatoky (...), ka hazoniny mba hiray Aminy; ampahereziny sy atanjahiny ireny. - TDG, t. 159. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal