Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana tsy manam-paharoa

Daty
Talata 17 September 2024

 "Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika. Izaho ao aminy, ary Hianao ato Amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr 'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy." - Jao. 17:22,23. 

Mofon’aina:
Endrey izany fitiavana! Fitiavana tsy manam-paharoa! Azon'ny olombelona izay Iavo atao ny hanana firaisana ety amin'i Kristy ka omem-boninahitra ao Aminy izy ireo. Nanaraka ny diany izy ireo teto an-tany, niasa tahaka izay niasany ho an' ireo fanahy nanolorany ainy. Ary rehefa tonga Izy mba hanambara fa Azy izy ireo, dia hiditra ao amin'ny Fifaliany ireo, ka hiara-mipetraka Aminy eo amin'ny latabatra ao amin'ny Fanjakany. "Ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko" -Jao. 12:26. (...) 

Mahatalanjona loatra ny mieritreritra fa azontsika mpanota lavo sy mahantra atao ny ho tonga iray amin'i Kristy; handray anjara amin'ny maha-Andriamanitra Azy, ary amin'ny alalan'ny fahasoavany (...) voadio sy omem-boninahitra isika. Azontsika atao ny mandresy sy miara-mipetraka amin'i Kristy. (...)

Efa nomeny antsika ny teny fikasany (...). "Aza malahelo ny fonareo; minoa an 'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." - Jao. 14:1-3. (...) 
Izay maniry hankeo amin'ny teny fikasan'ny fanekena dia afaka hanao izany. Sarobidy tokoa ny sanda naloa ho fanavotana antsika - ny ran'ilay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra. Fahoriana mahery vaika no nizahan-toetra an' i Kristy. (...) Nozakainy ny famaizan'ny fahafatesana noho ny fandikan'ny olona ny lalàna. Tonga Mpisolo ny mpanota sy antoka ho azy Izy. Tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty no nanehoany ny vokatry ny fahoriany sy ny fahafatesany. Avy tao amin'ny fasana izay nofain'i Josefa no nandrenesana izao fanambarana izao: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino Ahy, sy manao ny asan'ny fahamarinana ataoko, dia hamarinina, hamasinina, voadio ary voazaha toetra. Efa nahazo ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay izy ireo." - TDG, t. 202. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal