Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay Mpisolo avy any an-danitra

Daty
Alarobia 18 September 2024

"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan 'Andriamanitra ao Aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21. 

Mofon’aina:
Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena." -Mar. 15:31 b. Noho ny tsy namonjen'i Kristy ny Tenany indrindra no ananan'ny mpanota fanantenana famelan-keloka na sitraka eo imason'Andriamanitra. Raha tsy nahomby na koa kivy i Kristy teo amin'ny fanatanterahana ny famonjena ny mpanota, dia tsy ho nisy ny fanantenana ho an'ny zanakalahy sy zanakavavin'i Adama rehetra. Feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ny fiainan'i Kristy manontolo; ary ny antony mahavitsy an'isa ny Kristianina mahatoky dia ny fibahanan'ny fampanaranam-po ny tena sy fanaovana izay mahafinaritra eo amin'ny toeran'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena. 

Endrey ny faniriana lalina ao amin'i Kristy sy ny hetahetany hamonjy izay very! (...) Tamin'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana no namindrany ny fahamelohana avy teo amin'ny mpandika lalàna hankeo amin'ilay Mpisolo avy any an-danitra amin'ny alalan'ny finoana Azy ho Mpanavotra ny tenany manokana. Natao tao amin'ilay Antoka avy any an-danitra ny fahotan'ity tontolo meloka ity, izay (...)"mena tahaka ny jaky." (...)

Nanao ny asany ny maha-Andriamanitra Azy raha niari-pahoriana ny maha-olombelona Azy noho ny fankahalana sy ny valifatin'ny vahoaka tsy tia an'Andriamanitra, noho ny nanambarany ny Tenany ho Zanak'Andriamanitra. Izy irery no afaka namaly ilay jiolahy nahantra sy nijaly. (...) Hitan' ilay Mpanavotra efa ho faty teo amin'io jiolahy io ny heloka kely kokoa noho ny an'ireo izay nanameloka Azy ho faty. Tsy meloka noho ireo mpisorona sy mpanora-dalàna ary mpanapaka izay nafana fo tamin'ny fitakiana ny hahafaty ilay Zanak'Andriamanitra izy. 

Finoana manao ahoana re no hita tao amin'ity jiolahy efa niala aina teo amin'ny hazo fijaliana ity! Nandray an' Kristy izy tamin'ny fotoana izay toa nahitana fa tsy azo inoana ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy (...). Nisy feo hafa noho izay re nanodidina teo tao amin'ny vavaka nataon' ilay jiolahy nahantra; feo nitory finoana izany, ary nipaka tany amin'i Kristy. (...) Feo mitory fanavotana sy famonjena no re teo anivon'ny fangirifiriana teo am-pialana aina. Nomem-boninahitra tao amin'ny Zanaka sy tamin'ny alalany Andriamanitra. - TDG, t. 236.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal