Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikolokolo fahalemem-panahy ao an-tokantrano 

Daty
Alakamisy 19 September 2024

"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ny fitiavana manarona fahotana maro." - 1 Pet. 4:8. 

Mofon’aina:
Nanontany ny amin'izay tokony hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay ilay tovolahy nanatona an'i Jesôsy. Nilaza taminy i Jesôsy ny mba hitandremany ny didy ka nitanisa maromaro tamin'izany. Hoy ilay tovolahy: "Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?" - Mat. 19:20. Mampahafantatra ny olona ny adidy amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ireo didy efatra voalohany, ary ny enina farany kosa dia maneho fitakiana ny hitiavana ny namana tahaka ny tenantsika. Firy amintsika moa no tena manao izany amim-pahamarinana tokoa sy amin'ny fo manontolo? 

Ho avy tsy ho ela ny Tompo, moa ve isika manao ireo adidy araka ny fahamarinana? Ny fitiavana no fototry ny toetra araka an'Andriamanitra. Tsy misy manana fitiavana an' Andriamanitra, na toy ny ahoana ny fitompoan-teniny momba izany, raha tsy manana fitiavana ny rahalahiny izy ka tsy mihevitra izay azy. Tahaka ny itiavantsika an'Andriamanitra noho Izy efa tia antsika taloha no hitiavantsika ireo rehetra nanoloran'i Kristy ny ainy. Tsy havelantsika tsy handre ny fampitandremana na tsy hiasana na koa tsy hokarakaraina ny fanahy izay tandindomin-doza lehibe sy mita fanampiana. Tsy havelantsika (...) ho tavela irery ao anatin'ny fahoriana sy ny fahakiviana izy ireny ka ho latsaka ao anatin'ny faritanin'i Satana, satria hataon'Andriamanitra amintsika izay ataontsika amin'ireo rahalahintsika na ireo madinika indrindra ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra. 

Kolokoloy ny fahamoram-panahy; aoka ny rivotry ny fitiavana no hitsoka manodidina anareo ao an-tokantrano. (...) Izay rehetra manameloka sy mampalahelo na manakivy ny hafa, izay tsy mahay maneho hatsaram-panahy sy firaisam-po ary fangorahana an'ireo alaim-panahy sy iharan'ny fizahan-toetra, dia hampandalovina amin'ny fanandramana izay nolalovan'ny hafa sy niaretany. Ho tsapany amin'izany ny fahoriana niaretan'ny hafa noho ny tsy nanehoana firaisam-po taminy, mandra-pialan'ny hamafin'ny fony sy hanokafany ny fony hidiran'i Jesôsy.

Tsy maintsy mandray ny herin' Andriamanitra izay manova fo ny fanahy rehetra manana fifandraisana amin'ny asa sy ny raharahan'Andriamanitra, mba ho fenon'ny fitiavan'i Kristy sy ny fangorahany ny tsirairay, raha tsy izany dia tsy mba hahita ny fanjakan'ny lanitra izy ireo. - TDG, t. 239. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal