Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifikira amin'ny herin' Andriamanitra

Daty
Zoma 20 September 2024

"Tamin 'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin 'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin 'izay mahery Aho." - Sal. 89:19. 

Mofon’aina:
Tia anao ny Tompo, ary mangoraka anao. Izao no   teny fikasany: "Manatôna an' Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy" - Jak. 4:8. Rehefa manatona amin'ny fanaton'ny tondra-drano ny fahavalo,. dia hanangana fefy hiarovana anao ny Fanahin'i Jehôvah. Tsarovy fa i Jesôsy Kristy no fanantenanao. Izao no lazain'i Kristy eo anatrehan'ny toe-javatra mampalahelo sy mahakivy izay mianjady aminao amin'ny fotoana rehetra: "(...) aoka hifikitra amin 'ny heriko kosa izy ka hihavana Amiko." - Isa. 27:5. 

Ny anjaranao dia ny mifikitra amin'ilay hery izay mafy orina tahaka ny seza fiandrianana mandrakizay. Minoa an'Andriamanitra ary matokia Azy. Mifalia ao anatin'ny toe-javatra rehetra. Mety ho tojo fitsapana ianao, kanefa fantaro fa efa niaritra toe-javatra mampahory ho an' nylov any i Kristy. Tsy misy malala eo imason'Andriamanitra tahaka ny fiangonany. Mijery ny fo Andriamanitra, ary fantany izay Azy. Hizaha toetra ny fanahy rehetra Izy. "Mao no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin 'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra." - Dan. 12:10. 
 
Aoka izay tia an'Andriamanitra sy mpanatanteraka ny Teniny hanao hira fiderana sy fisaorana fa tsy hanao teny miampanga na mitady ny hadisoan'ny hafa na koa mimonomonona. Hitahy izay mitady fihavanana Andriamanitra. ( • • -) 

Matokia an'i Jehôvah. Aza avela hanakivy anao ny fihetsehampon'ny olombelona sy ny teniny ary ny toetrany. (...) Banjino hatrany i Jesôsy ilay Herinao. Hanjary hovana ho amin'ny fanahafana Azy ianao rehefa mibanjina Azy. Izy no ho fahasalaman'ny endrikao sy Andriamanitrao. (...) 

Mila anao ny fiangonana, ary ilainao ny hanalefaka sy hampilefitra ny fihetsehamponao noho ny amin'i Kristy. Tiany mantsy raha manamboatra anao ny Fanahiny Masina. Amin'izany no hahafahanao mizara fiainana sy fampaherezana ho an'ny fiangonana. Aoka ny teninao ho voafantina tsara mba hahatonga anao ho tena fitahiana ho an'ny fiangonana. Aza mampalahelo ny fanahinao amin'ny fivadibadihan'ny hafa. Raiso an-tanana ny fiainanao, ary aoka ianao ho mahatoky amin'ny zavatra rehetra. - TDG, t. 245. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal