Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tena ilaina indrindra ny fahasoavan'Andriamanitra

Daty
Alahady 22 September 2024

"Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako." - 1 Kôr. 9:16. 

Mofon’aina:
Mahatonga antsika hanana firaisana isan'andro amin'Andriamanitra ny fiovam-po tena izy. Hisy ny fakam-panahy hosetraina, ary riana mahery no misintona antsika hiala amin'Andriamanitra hiverina amin' ny toetry ny tsy firaihana nisy antsika teo aloha sy ny fanadinoana an'Andriamanitra noho ny fahotana. Tsy hain'ny fon'olombelona ny hijoro amin'ny heriny raha tsy eo ny fahasoavan'Andriamanitra. (…) Raha tsy mifikitra mafy amin'Andriamanitra ny fo iray ary mihazona azy mafy koa Andriamanitra, dia ho tonga matoky tena izy ka hisandratra, ary azo antoka fa ho tafintohina ka hianjera. Ny herin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny finoana no nianteheran'i Paoly: "(...) tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko" - Gal. 2:20. "Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako." - 1 Kôr. 9:26,27.

Nanahy mandrakariva i Paoly fandrao handresy azy ny fironana ho amin'ny ratsy; nahatonga azy nitolona mandrakariva izany ka nanohitra mafy (...) ny fitiavan-komana sy ny filana ambany. Raha nangovitra tahaka izany teo anoloan'ny fahalemeny ilay apôstôly lehibe, iza kosa no manan-jo hitoky amin'ny tenany sy hirehareha? (…)

Ny vavaka no hany fiarovana azo antoka manoloana ny fahotana malaky mahazo antsika, vavaka isan'andro sy isan'ora. (...) Amin'ny fiambenana sy ny hafanam-po ihany no amelombelomana antsika amin'ny firaisana amin'Andriamanitra. Manan-danj a ny vavaka, ary tsy tokony hiandry ny fihetsehampo isika vao hivavaka, hivavaka amin'ny fo tokoa, na irintsika ny hanao izany na tsia. Misokatra handray ny vavaka ataontsika ny lanitra. Ny vavaka no fantsona izay mitondra ny fankasitrahantsika sy ny fanirian'ny fanahy ny fitahian' ny lanitra ho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mba hiverenan'izany amintsika tahaka ny ranonorana mamelombelon'ny fahasoavan'Andriamanitra (...). Raha mba betsaka kokoa mantsy ny fotoana lanintsika amin'ny fandohalehana ary mihena kokoa ny fotoana anaovantsika drafitra ho an'ny tenantsika sy iheveran-tsika fa hahavita zava-dehibe isika!- TDG, t. 277. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal