Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ady farany

Daty
Talata 24 September 2024

 "Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany." Apôk. 16:15.

Mofon’aina:
Ady mahatsiravina no manoloana antsika. Efa manantomotra ny adin'ny andro lehiben' i Jehôvah Tsitoha isika. Efa havotsotra izao izay nofehezina hatrizay. Efa mamelatra ny elany ny anjelin'ny famindram-po, miomana ny hidina avy eo amin'ny seza fiandrianana volamena ka hamela an'izao tontolo izao hofehezin' i Satana, ilay mpanjaka izay nofidin' izy ireo, ilay mpamono olona sy mpanimba hatrany am-piandohana.

 Fikomiana feno fangidiana no ataon'ireo fanapahana sy hery eto an-tany eo anatrehan'ilay Andriamanitry ny lanitra. Feno fankahalana an' ireo rehetra manompo Azy izy ireo, ary tsy ho ela intsony no hiadiana ilay ady lehibe farany eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Ny tany no ho tanim-piadiana - ho sehatra isehoan'ny ady farany sy ny fandresena farany. Eto (...) no hanafoanana mandrakizay ny fikomiana. 

Tonga teto amin' ity tany ity nitafy ny maha-olona i Kristy mba hahafahany mijoro ho Kapitenin'ny famonjena antsika, mba tsy handresen'ny herin'i Satana antsika. Ary rehefa toy ny nandresy ny fahamarinana ny fahavalo, dia niasa tamin'ny famindram-po sy tamin-kery Andriamanitra mba hanoherana ireo fikasan'i Satana. 

Tapa-kevitra ny hamafa ny endrik'Andriamanitra tsy ho eo amin'ny olona intsony i Satana ka mikely aina fatratra mba hanakonana an'Andriamanitra tsy ho hitantsika. Tsy ataony miharihary izany fa an-tsokosoko, ka afangarony izay avy amin'Andriamanitra sy avy amin'olombelona, ny sandoka sy ny tena izy, mba hitondra fahaverezan-kevitra sy fahakiviana. Amin-kery tahaka izany koa anefa no anehoana ny famindram-pon'ny lanitra mba hanoherana ny asa feno faharatsiam-panahy sy hampiharihariana ireo fikasana miafin'ilay fahavalo.

Tokony handre fanambarana feno fahasahiana sy tsy misy tahotra ny vahoakan'Andriamanitra, fanambarana izay maneho ireo fikasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fijoroan'ny penina sy ny feo ho vavolombelona (...). 

Zava-misy fiainana tokoa ny fampianarana tena izy. Tsy tahaka ny zavona izay mihelina izany. Aoka hamirapiratra avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fahazavana. Miantso ny vahoakany Andriamanitra mba hanatona Azy. Aoka tsy hisy na iza na iza hanakana ny firaisany amin'ny °km,. Mandondôna ao am-baravaran'ny fo i Kristy (...). Havelanao hiditra ve Izy? - TDG, t. 308. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal