Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo tolona atao amim-bavaka 

Daty
Alarobia 25 September 2024

"(...) Aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana." - Heb. 10:22. 

Mofon’aina:
Tsy mety hisy ny vavaka tena izy raha tsy eo ny finoana marina. "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy" - Heb. 11:6. Ny vavaka sy ny finoana no sandry hamihinan'ny fanahy ny sorok'Ilay Fitiavana tsy hita fetra, sy hamikirany ny tanan'Ilay Hery tsy mety lany. (...). Hery miasa ny finoana. Ny finoana vao teraka ao amin'i Kristy dia asehon'ny fivavahana sy ny fiderana. Fanamaivanana sy fampaherezana ho an'ny fanahy ory ny vavaka. (...) Tokony ho tsapantsika ny tsy fahampiantsika. Tokony ho noana sy hangetaheta ny fiainana ao amin'i Kristy sy amin'ny alalany isika. Amin'izay no hanatonantsika Azy amin'ny fanetren-tena sy amin'ny fo tokoa, dia homeny antsika ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy. (...)

Nanolotra ny Ainy an-tsitrapo i Kristy ary nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra tamim-pifaliana. "(...) Nanaiky hatramin 'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin 'ny hazo fijaliana" Izy (Fil. 2:8). Eo anatrehan'ny zavatra rehetra nataony, moa ve tokony ho mafy loatra amintsika ny mandà tena? Moa ve isika hitakemotra ka tsy handray anj ara amin'ny fijalian' i Kristy? (...)

Tokony hanenika ny fontsika ny fankasitrahana sy ny fitiavana eo am-pisaintsainana izay nataony ho antsika, ary tokony handositra ny fitiavan-tena sy ny fahotana rehetra isika. Inona ny adidy holavin'ny fo tsy hotanterahina eo ambany hery miasa manginan'ny fitiavan'Andriamanitra sy i Kristy? (...)

Andeha isika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny fankatoavana mandà tena sy mahafoy tena. Mitarika ho amin'ny fankatoavana an-tsitrapo sy am-pifaliana mandrakariva ny finoana an' i Kristy. Maty mba hanavotra antsika amin'ny faharatsiana rehetra Izy, mba hanadiovana vahoaka iray manokana ho Azy, izay mazoto amin'ny asa tsara. Tokony ho tonga lafatra ny fanaovantsika ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fisainana sy ny teny ary ny asa. Ireo izay nanadio ny fanahiny tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana ihany no hahazo ny lanitra. - TDG, t. 315. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal