Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tombony ankehitriny sy amin'ny hoavy

Daty
Alakamisy 26 September 2024

 "Mijery an'i Jesôsy , Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy." - Heb. 12:2. 

Mofon’aina:
Tokony hikolokolo fankasitrahana mandrakariva ho an'ireo naneho   fitiavana tamintsika tamin'ny fotoan-tsarotra isika. (...) Mihoatra lavitra noho ny fisakaizana asehon'ireo havana sy namana akaiky sy tia antsika indrindra ny fanambaran'i Kristy (...). Voajanahary ho an'ny fontsika ny hikolokolo fitiavana mamy indrindra ho an'ireo nanao zavatra ho antsika na niari-pahoriana noho ny amintsika.

Mamelà ahy hitarika anao hankeo amin'ny toerana nanomboana an'i Kristy ka haneho aminao ilay Zanak'Andriamanitra maty ho solonao. Moa ve tsy hamoha fankasitrahana ao anatinao ny fahitana ny hazo fijalian'i Kristy? Moa ve izany tsy hamafa ny fangatsiahana sy ny tsy firaihana izay manadombo ny fo sy ny saina tsy hihontsona eo anatrehan'ny sorona lehibe natao ho antsika? (...)

Miasa mandrakariva i Satana, ilay fahavalon'ny fanahy, ka mampiasa ireo tetikadiny sy fandrenohany (...). Ny zava-madinika eo amin'ny fiainana no ampitodihany ny fitiavantsika, fa sakanany kosa izany tsy hiantefa amin'ny mandrakizay (...).

Maro loatra ireo izay miaina ao anatin'ny zava-tsarotra sy mandeha amin'ny lalana izay mampanantena tombontsoa amin'ny hoavy na dia famoizan-javatra lehibe tokoa aza no sandan'izany. Mamoy ny fiadanana ankehitriny izy ireo hahazoany valisoa amin'ny hoavy. Ny fiainana mandrakizay anefa no atolotr'i Jesôsy eto mba ho valisoan'ny fankatoavana, ary raha hafoin'ny olona toy izany ny tombontsoa maivamaivan'ny tany mba hahazoany soa amin'ny hoavy, manao ahoana kosa ny tokony hanaovantsika sorona ny fiadanana sy ny fahafinaretana ary ny tombontsoa araka izao tontolo izao mba hahazoantsika ny harena tsy manam-paharoa sy ny voninahitra any amin'ilay fiainana mandrakizay! Aza avela hanaisotra ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy hanamafy ny fontsika eo anatrehan'ny tombontsoa mandrakizay ny fanangolen'ny zava-mahafinaritra eto an-tany. Banjino izay tsy hitan'ny maso. Avelao i Jesôsy hitoetra ao am-po; tiavo amin'ny fanahinao rehetra Izy. TDG, t. 328.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal