Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Fanahy Masina, fanomezana lehibe indrindra

Daty
Zoma 27 September 2024

"(...) Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana." - Fil. 2:8. 

Mofon’aina:
Mifandanja amin'ny fanalam-baraka an'i Kristy sy ny fahoriany ny fanandratana Azy. Tsy ho Mpamonjy sy Mpanavotra Izy raha tsy efa Sorona aloha. (...). Nasandratr'i Kristy ny lalàna ary nataony manan-kaja tamin'ny nanekeny ny fepetra notakin'izany amin'ny famonjena ny tontolo iray amin'ny fahapotehana; tsy nitaredretra Izy nankany an-danitra mba hanatontosa ny Asany, ary koa hanatanteraka ny iraka nampanaovina Azy amin'ny fandatsahana ny Fanahy Masina ho an'ny mpianany. Amin'izany no anomezany toky ireo mpino fa tsy nanadino azy ireo Izy (...).

Ireo izay tia an'i Kristy teto amin'ity tontolo ity no nirotsahan'ny Fanahy Masina. Tamin'izany no nahavonona azy ireo handray ny fanomezana ilaina rehetra ho fanatanterahany ny iraka nampanaovina azy, tamin'ny fanomezam-boninahitra Ilay Lohany. Tsy ny fanalahidin'ny fahafatesana ihany no nohazonin'ilay Mpanome fiainana teo an-tanany, fa ny fitahiana lehiben'ny lanitra manontolo. Efa nomena Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ary rehefa nandray ny toerany any amin'ny lapan'ny lanitra Izy dia hanolotra ireo fitahiana ireo ho an'izay rehetra mandray Azy.

Izao no nambaran'i Kristy tamin' ireo mpianany: "(...) mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy." - Jao. 16:7. Izany no fanomezana lehibe indrindra. Narotsaka amin'ny maha-harena sarobidy indrindra azon'ny olona raisina Azy ny Fanahy Masina. ( ...) Nomanina mba handeha hitory an' i Kristy ireo mpianatra, tany Jerosalema aloha, izay nanaovana ny asa fanalam-baraka an'Ilay Mpanjaka marina, ary aorian'izay dia any amin'ny faran'ny tany. (...) 

Endrey, feno sy maimaimpoana ny fitahiana harotsaka amin'ireo rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny anaran'itay Zanany. Raha mitandrina ireo fepetra voambara ao amin'ny Teniny izy ireo, dia hosokafany ho azy ny varavaran'ny lanitra mba handrotsahany fitahiana ho azy ireo ka tsy ho ampy aza ny toerana hasiany izany. (...) Raha manamasina ny tenany amin'ny fankatoavana ny fitsipik'Andriamanitra ny vahoakany, dia hiasa eo anivon'izy ireo ny Tompo. Havaoziny ny fanahy manetry tena sy torotoro fo, ka hovany ho madio sy masina. - TDG, t. 341. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal