Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fampianaran'ny Tompo

Daty
Sabotsy 28 September 2024

"Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina." - Isa. 8:20.

Mofon’aina:
Ny fampianaran'ny Tompo, izay voalaza mazava ao amin'ny Teniny, no tokony ho fitsipi-piainantsika. (...). NyBaiboly irery ihany no tokony ho mpitari-dalana antsika. Tsy maintsy manaraka sy mankatà ny fitsipiky ny lanitra izay mitondra fiainana isika, fa tsy ny fironan'ny fontsika. Ny fahendren'Andriamanitra sy ny heriny, izay miasa amin'ny fo izay mandray, no mampirindra ny fisainana sy ny toetra hifanaraka amin'ny lalàna sy ny fitsipiky ny lanitra. Ny tsirairay no tokony handray ny fitarihan'ny Fanahy Masina, mba hahafahana mampita amin'izao tontolo izao ny fahamarinana. (...)

Asaina mampaneno fanairana ho an'ny olona isika. Tsy tokony hatory ny mpiambina ankehitriny. Tsy maintsy miambina amim-pivavahana izy ireo, mba hananany fahazavan-tsaina manoloana ny andraikiny eo anatrehan'Ilay tonga teto amin'ny tontolontsika, na dia Lahitokan'Andriamanitra aza, mba hitaona ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin'ny fitarihan'i Satana.

Asaina manoro lalana sy mitarika ny fanahy maro isika mba hibanjinan'izy ireo ny ohatra nasehon'i Kristy ka hahatsapany ny andraikiny manoloana Azy, satria Azy izy ireo noho ny namoronany sy nanavotany azy. Azy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra eto amin'izao tontolo izao. (...) Raha manaiky ho tonga zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra amin'ny fankatoavana an-tsitrapo ny olombelona lavo, dia ho tonga iray amin'i Kristy izy ireo. Efa novidin'ny Mpamonjy izy ireo tamin'ny nanolorany ny Ainy hanonerana ny famaizana noho ny ota. (...) Ireo izay niova fo marina no haneho ny fahasoavan'i Kristy izay mahavonjy amin'ny fiasana ho an'ireo fanahy nohajambain'i Satana. Eo amin'ny fiainan'izy ireo no tokony hanehoan'ny mpiasan'Andriamanitra ny herin'ny fahamarinana. Tsy ho ela izao tontolo izao dia hampamoahin'Ilay Mpanome ny lalàna noho ny amin'ny lalàny izay nodikaina. Ireo izay miala amin'ny fandikan-dalàna ho amin'ny fankatoavana ihany no afaka hanantena famelan-keloka. 

Tokony hasandratsika ny faneva misy soratra hoe: "Ny didin' Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy." (...) Tokony hanao ny ezaka hanairana ny mambran'ny fiangonana sy ireo rehetra mitonona ho Kristianina isika, mba hahitan'izy ireo sy hankatoavany ny fitakian'ny lalàn'ny lanitra. (...) Asaina mamoha ireo latsaka ao amin'ny torimasom-panahy isika. - TDG, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal