Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADIHEVITRA TANY JEROSALEMA

Daty
Sabotsy 24 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 11; 1 Mpanj, 1:32-48; Zak.9:9,10; !sa. 56:7; Jer. 7:11; Mar. 12:1-34.

Tsianjery: "Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo." - Mar. 11:25. 

Lohahevitra dimy izay niteraka adihevitra teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana no voarakitra ao amin'ny Mar. 2 sy 3 (jereo ny Lesona 3). Ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia lohahevitra enina no nampifanditra an'i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana rehefa tonga tany Jerosalema lzy. Tamin'ny fiandohan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany no nisehoan'ny fifandirana voalohany, ary ny faharoa kosa dia tamin'ny fiafaran'izany asa fanompoany izany. Samy mahakasika ny toe-javatra manan-danja eo amin'ny fiainana kristianina ireo roa ireo. Na dia ao anatin'ireny toe-javatra miteraka adihevitra ireny aza, ny torolalana omen'i Jesôsy dia manampy amin'ny fitarihana ny mpino handinika ireo teboka manan-danjaniny finoana ary koa ireo lafiny azo ampiharina eo amin'ny fiainana andavanandro.

Tonga mba hifanandrina amin'i Jesôsy sy hiady hevitra Aminy ary handresy Azy ireo mpitondra fivavahana kanefa tsy nahomby na oviana na oviana. Ny ampahany amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia handalina ny antony mahatonga ny olona hanohitra an'Andriamanitra. Hodinihin'ny lesona ihany koa izay azon'ny Kristianina atao mba handrodanana ny hevitra mibahana mialoha sy hanatrarana ny fon'ireo izay manohitra ny antson'ny Fanahy.

Any Jerosalema i Jesôsy no hanao ny asa fanompoany ho amin'ny Paska (Marsa-Avrily), ao amin'ny Mar. 11. Toe-javatra niseho nandritra ny herinandro mahery no tantaraina ao amin'ny Mar. 11-16; hita fa nibahana tee amin'izany ny fitantarana ny tantara. Ireo telo taona sy tapany niasan'i Jesôsy kosa no tantarain'ireo toko folo voalohany. Manondro ny lanjan'ireo toe-javatra mamarana ny asan'i Jesôsy izany fibahanan'ny fotoana eo amin'ny toe-javatra tany Jerosalema izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal