Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 06 September 2024

Vakio ny "Teo amin'ny tendrombohitra Oliva" (toko 69) ao amin'ny IFM.

Marobe ny zava-mitranga mampitebiteby eto amin'izao tontolo izao. Mihorohoro fatratra ny olona manoloana ny toe-java-misy. Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, izay manana fahalalana fanampiny momba ireo toe-javatra miseho, ahoana no ampiasantsika izany mba hampitodihana ny olona amin'ny fanantenana ananantsika ao amin'i Jesôsy sy ny teny fikasana ny amin'ny fiaviany?

"Satria tsy fantatsika ny fotoana marina hiaviany, dia hafatrafarana isika hiambina. `Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy Izy.' Izay miambina ny hiavian'ny Tompo dia tsy midonanaka foana eo am-piandrasana. Mahatonga ny olona hatahotra ny Tompo sy hatahotra ny fitsarana hahatra amin'ny fandikan-dalàna ny fiandrasana an'i Kristy. Mamoha azy hiala amin'ny fahotana lehibe dia ny fitsipahana ny famindrampo atolony izany. Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin'ny fankatoavana ny fahamarinana. Akambany amin'ny fiambenana mailo ny asa amin-kafanam-po. Satria fantany fa eo am-baravarana ny Tompo, dia mihamatanjaka ny zotom-pony hiara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra eo amin'ny famonjena ny fanahy. Ireo no mpanompo mahatoky sy hendry izay manome ny ankohonan'ny Tompo ‘ny anjara hanina amin'ny fotoana'. Manambara ny fahamarinana izay azo ampiharina ankehitriny izy. Toa an'i Enoka, Noa, Abrahama sy Mosesy, izay samy nanambara ny fahamarinana tamin'ny androny avy, toy izany koa ny mpanompon'i Kristy ankehitriny mitondra fampitandremana manokana ho an'ny taranaka misy azy izy."- IFM, t. 681.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. Zavatra iray ny manolotra fanomezana hanohanana ny raharahan'Andriamanitra, ary zavatra iray hafa ny manome amim-pahafoizana. Inona no maha samy hafa izany, ary nahoana no zava-dehibe izany fahasamihafana izany?

2. Nahoana no tsy nosakanan'Andriamanitra ny fanenjehana ny vahoakany tao anatin'ny taonjato maro sy amin'izao fotoana izao? Ahoana no anampian'ny fifanandrinana lehibe antsika hahatakatra ny antony isian'ny fanenjehana?

3. Inona amin'ireo famantarana ny fiverenan'i Kristy no voamarikao manokana eto amin'izao tontolo izao ankehitriny?

4. Eritrereto ny amin'ny toetry ny maty sy ny filazana fa matory ny maty mandra-piverenan'i Kristy. Mikimpy ny mason'ny maty, ary inona no hitany raha vao misokatra indray izany? Ahoana no anampian'izany antsika hahita, ho an'ny tsirairay manokana, fa akaiky mandrakariva ny fiavian'i Kristy fanindroany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal