Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHAFOY NY ZAVATRA REHETRA MBA HANDOSIRANA AN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 11 September 2024

Vakio ny Mar. 14:43-52. Inona no mitranga eto, izay zava-dehibe tokoa ao amin'ny drafi-pamonjena?

Manafintohina tokoa ny hoe: ny iray amin'ireo olona akaiky indrindra an'i Jesôsy no namadika Azy ho eo an-tanan'ny fahavalony. Tsy dia manoritsoritra loatra ny antony nanesika an'i Jodasy ny filazantsara, fa i Ellen G. White kosa nanoratra hoe: "Fironana tao amin'i Jodasy ny tia vola; nefa tsy mbola latsaka ambany mandrakariva toy izao izy ka hanao zavatra toy izay nataony. Novelominy tao aminy ny toe-tsaina ratsy mihirim-belona mandra-pahatongan'izany ho fitsipika mifehy ny fiainany. Navesa-danja noho ny fitiavany an'i Kristy ny fitiavany an'i Mamôna. Ny nahatongavany andevon'ny toetra ratsy iray no nanolorany toerana ho an'i Satana, ka nahavoatarika azy ho amin'ny fivelaran'ny fahotana rehetra." — IFM, tt. 767,768.

Tsy misy olona mankasitraka ny fivadihana, eny fa na dia ireo mampiasa olona mpamadika aza mba hanatrarana ny tanjony (Mat. 27:3-7). Kanefa mamohehatra indrindra ny nataon'i Jodasy satria nafeniny tao ambadiky ny firahalahiana ny famadihany an'i Jesôsy. Nomeny toromarika ny vahoaka fa Izay horohany no hosamborin'izy ireo. Hita amin'izany fa naniry hanafina ny faharatsiany tamin'i Jesôsy sy ny mpianatra hafa izy.

Nanomboka ny fikorontanana rehefa nosamborina i Jesôsy. Nisy anankiray nanatsoaka ny sabany (voalaza ao amin'ny Jao. 18:10 fa i Petera io olona io) ka nahafaka ny sofin'ny mpanompon'ny mpisoronabe. Dia nitodika tany amin'ny vahoaka i Jesôsy nanome tsiny azy ireo noho ny nanaovany izao zavatra izao tao amin'ny miafina satria natahotra ny hanao izany an-karihary izy ireo, dia tamin'ny fotoana nampianarany azy ireo teo an-kianjan'ny tempoly. Tamin'ny farany anefa dia nilaza i Jesôsy fa tanteraka ny Soratra Masina. Hita eto indray ireo tetika roa mifanindran-dalana manerana ity tantara ity, izay maneho fa ho tonga amin'ny fahatanterahany ny sitrapon'Andriamanitra na dia miasa hahafaty ny Mesia aza ny olona.

Nandositra avokoa ny mpianatra, hatramin'i Petera, na dia nipoitra ihany aza izy taoriana kelin'izany, nanaraka an'i Jesôsy teny lavidavitra teny. Nony farany anefa dia tratry ny olona koa izy. Kanefa mitantara ny amin'ny zatovo iray nanaraka an'i Jesôsy ny Mar. 14:51,52; tantara izay tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny filazantsaran'ny Baiboly afa-tsy eto ihany. Misy mihevitra fa i Marka ihany io zatovo io, kanefa tsy misy porofo ny amin'izany. Ny manaitra dia izy nandositra nitanjaka. Tsy mba nahafoy ny zavatra rehetra izy hanarahana an'i Jesôsy, fa nahafoy ny zavatra rehetra mba handosirana an'i Jesôsy.

Mampatahotra tokoa ny mieritreritra fa nandevozin'ny toetra ratsy anankiray monja i Jodasy, dia izany no nitarika azy hahavanon-doza toy izao. Inona no ambaran'izany amintsika? Tsy tokony hankahala ny fahotana ve isika ka handresy izany amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal