Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rehefa mifehy ny fiainana ny fahamarinana

Daty
Alahady 29 September 2024

"Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina." Jao. 8:12. 

Mofon’aina:
Noraisin’i Jesôsy Tompo ho an’ny Tenany ny endriky ny olona mpanota, nosaronany tamin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra kanefa masina tahaka ny an’Andriamanitra izay masina Izy. Tsy ho Mpamonjy ny taranak’olombelona Izy raha toa nahitana fiketronana na koa pentim-pahotana kely. Nitondra ny fahotana Izy, saingy tsy nila nanaovana fanavotana. Iray tamin’Andriamanitra Izy amin’ny fahadiovana sy ny fahamasinan-toetra ka afaka nanao fanavotana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao manontolo.

I Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Amin’ny alalany no amirapiratan’ny fahazavana eo anivon’ny haizina ara-pitondrantena. Raha tsy fahazavana Izy dia tsy ho niharihary ny fahamaizinana satria mampiseho ny haizina ny fahazavana. (...) Raha esorina ny fahazavana dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy haizina.

Izao no nambaran’i Kristy mikasika ny toerana misy antsika: "Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina" –Jao. 8:12. Izy mihitsy no Kintan’ny maraina mamirapiratra. Izy no Masoandron’ny fahamarinana, ilay famirapiratan’ny voninahitry ny Ray. (...) Mpitsabo Izy, Mpanasitrana, tonga mba hamerina amin’ny laoniny ny endrik’Andriamanitra izay very noho ny fandikan-dalàna.

Rehefa mitoetra ao amin’ny fanahy amin’ny alalan’ny finoana i Kristy, dia ataony tonga mazava ao amin’Andriamanitra izay tia Azy. Marina tokoa fa maro amin’ireo milaza ho mino ny fahamarinana no manana finoana anarany fotsiny ihany. Tsy mpanatanteraka ny Teny izy ireo. Mitonona ho mpino izy nefa tsy mitondra fiovam-po ho azy ny fitompoan-teny momba izany. (...)

Rehefa mitoetra ao am-po i Kristy, dia miharihary ny fanatrehany. Ny teny sy ny asa soa sy mahafinaritra no maneho ny Fanahin’i Kristy. Hiseho ety ivelany ny toetra mamy, tsy ho hita ny firehetam-po feno hatezerana, ny hamafisan-katoka na ny haratsiam-panahy. Tsy hisy fankahalana ao am-po noho ny tsy faneken’ny hafa na ny tsy fankasitrahany ny hevitra sy ny fomba fiasan’ny teny. (...)

Rehefa mifehy ny fiainana ny fahamarinana, dia misy ny fahadiovana sy ny fahalahana amin’ny fahotana. Tanteraka eo amin’ny fiainana ny voninahitra sy ny fahatanterahan’ny drafitry ny filazantsara. Ny fahazavan’ny fahamarinana no manazava ny tempolin’ny fanahy. (...) – TDG, t. 357.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal