Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaraka ny dian-tongotr’i Jesôsy

Daty
Alatsinainy 30 September 2024

"Koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray - samy araka izay fahaizany avy." - Mat. 25:15. 

Mofon’aina:
Halalino ny torolalan'ny Mat. 25:14-46. Ampitahao amin'ny tantaram-piainanao izany. Aoka hamela ny fizahozahoany ny olona rehetra. (...) Andeha isika hanaraka ny dian-tongotr'i Kristy ao amin'ny fanetren-tenan'ny finoana marina. Andeha havela ny fitokiana amin'ny tena ka hanolo-tena isan'andro sy isan'ora amin'ny Mpamonjy isika, dia handray fahasoavana hatrany sy hizara izany. Mitalaho amin'ireo mitonona ho mpino an'i Kristy aho mba handeha amim-panetren-tena eo anatrehan'Andriamanitra. Fahavetavetana ho Azy ny avonavona sy ny fanandratan-tena. Hoy i Kristy: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy." - Mat. 16:24. Ireo izay mankato izany teny izany ihany no ekeny ho mpino. "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak 'Andriamanitra." - Jao. 1:12,13.

 "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika" - and. 14. (...) Niala teo amin'ny toerana ambony nisy Azy ilay Andrianan'ny lanitra; (...) napetrany ny fitafiana sy ny satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy, ka nosaronany ny maha-olona ny maha-Andriamanitra, mba hahatongavany ho Mpampianatra (...) ny sarangan' olona rehetra sy hiainany fiainana tsy misy fitiavan-tena na fahotana (...), ka hanehoany ohatra izay azon'izy ireo tahafina amin'ny alalan'ny fahasoavany.

"Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray" - and. 14. Derao Andriamanitra noho izany fanambarana mahatalanjona izany! Toy ny lehibe loatra ka tsy ho takatsika ny fahamarinana asehon'izany (...). Deraiko Andriamanitra noho ny fahitako ny Mpamonjy amin'ny alalan'ny finoana. (...) Ny hany fanantenana ho antsika amin'izao fiainana izao dia ny fanatsorantsika ny tanan'ny finoana ka hamikirantsika ilay sandry izay mitsotra mba hanavotra. (...) Raha manala ny fijerintsika amin'ny tena mba hijery an'i Jesôsy isika, ka hanao Azy ho mpitarika antsika, dia ho hitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiangonantsika ny hery izay tsy hitany ankehitriny. - TDG, t. 373.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal