Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tonga lafatra ny drafitr'Andriamanitra

Daty
Zoma 04 October 2024

"Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; fa nanantena hahazo ny tanana misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany." - Heb. 11:9,10. 

Mofon’aina : 
Niakatra ho amin'ny Ray i Jesôsy mba hisolo tena ny olombelona, ary izay maneho ny endriny dia hoentin'Andriamanitra miaraka Aminy mba hibanjina ny voninahiny sy hiombom-boninahitra Aminy. Misy fitoerana voavoatra ho an'ireo mpivahiny teto an-tany. Misy fitafiana, satro-boninahitra ary mari-pankasitrahan'ny fandresena ho an'ny olo-marina. Any amin'ilay tontolo ho avy dia hazava tsara amintsika izay rehetra nanahiran-tsaina antsika na saro-takarina teo amin'ny fitondran' Andriamanitra. Hovelarina eo anoloantsika ny tsiambaratelon'ny fahasoavana. Raha tsy nahita afa-tsy savorovoro sy fahadisoam-panantenana ny saintsika voafetra teo aloha, dia hahita firindrana mahafinaritra kosa. (...)

Tsy misy fahoriana any amin'ny rivo-piainan'ny lanitra. Tsy misy ranomaso any amin'ny fonenan'ireo voavotra, tsy misy fitanjozoran'ny mpandevina, tsy misy mariky ny fisaonana. "Tsy misy amin'ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka" - Isa. 33:24. (...) Saintsaino izany ka ambarao amin'ireo zanaky ny fahoriana sy ny alahelo, ary asao izy hiravoravo amin'ny fanantenana.

Arakaraka ny anakekezantsika Azy no ahatazanantsika ny hadion'ny toetrany sy ny fahaleliibiazany, sy hitomboantsika amin'ny fanetren-tena. Arakaraka ny itiavantsika an'i Jesôsy no hahatonga ny "izaho" hietry ka ho hadino tanteraka. (...)

Izay malemy fanahy sy madio indrindra ary tsotra tahaka ny zaza no hohatanjahina ho amin'ny ady; hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahiny. Izay mahatsapa ny fahalemeny ka mitolona amin'Andriamanitra toa an'i Jakoba, mitalaho hoe: "Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho", no handroso ao amin'ny famelombeloman'ny Fanahy Masina. Ho voahodidin'ny rivo-piainan'ny lanitra izy, handehandeha hanao soa, ho hery lehibe hanohana ny fivavahan'i Kristy ny asany. (...)

Vonona hamonjy antsika ao anatin'ny fotoan-tsarotra ny Andriamanitsika. Fantany tsara ny miafina indrindra ao amin'ny saina sy ny fontsika (...). Rehefa ao anatin'ny fahaverezan-kevitra isika, na tsy mbola namboraka ny olantsika akory aza isika, dia efa namolavola fomba hanafahana antsika Izy. - UL, t. 46. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal