Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa fanompoan'ireo anjely

Daty
Alahady 06 October 2024

"Ary Elisa nivavaka hoe: Jehôvah mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehôvah nampahiratra ny mason' ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa." - 2 Mpanj . 6:17.

Mofon’aina:
Vitsy ihany no mba mandinika ny amin'ireo anjely tsy hita maso. Ny asan'ny olona dia na ho an'Andriamanitra, na ho an'i Satana, na ho an'ny Andrianan'ny fahazavana, na ho an'ny andrianan'ny haizina. Liana fatratra amin' izay ataon'ny olombelona, izay toa be raharaha ery kanefa tsy mihevitra ny zava-panahy, ny lanitra manontolo. Tsy misaina ny tenin'Andriamanitra na ny fampianarany izy ireo. Raha mba noraisiny mantsy ny Tenin'Andriamanitra dia ho gaga izy ireo fa misy anjely maro, tsara sy ratsy, manara-maso izay lazainy sy ataony rehetra. Misy azy ireny any amin'ireo fikambanana rehetra mpanao raharaham-barotra, any amin'ny filan-kevitra rehetra, any amin'ny fivoriam-bavaka rehetra. (...) Mpiara-miasa amin'Andriamanitra na amin'i Satana ireo anjely tsy hita maso ireo, ary miasa mafy sy tsy tapaka, mihoatra noho ny ataon'ny olombelona. Indraindray izy ireny no manala ny takona izay manakana ny olombelona tsy hahita ny tontolo tsy hita maso, mba hahafahan'ny saintsika miala amin'ny rotoroto sy ny hazakazaky ny fiainana sy mahazo an-tsaina fa misy mahita ny ataontsika sy lazaintsika rehetra eo am-panaovantsika raharaha, na rehefa mihevi-tena ho irery isika.

Tian'ny Tompo ho takatsika fa ireny anjely mahery mamangy ny tontolo misy antsika ireny dia mandray anjara mavitrika amin'ny asa izay heverintsika fa antsika. Fanahy manompo ireo anjely ireo, ary matetika izy no maka endrika olombelona. (...)

Tonga hanao ny anjarany eto amin'ity fiainana ity izy ireo. Efa nandray fitenenana tao anatin'ny fivoriana izy ireny, namelabelatra ny tantaran'ny olombelona teo anatrehan'ny mpivory, nanatanteraka asa izay tsy hain'ny olombelona atao. Imbetsaka izy ireo no efa jeneraly mpitari-tafika, na koa nirahina handroaka ny areti-mandringana. Efa niara-komana tamin' ireo ankohonana tso-piaina izy ireo, ary matetika no miseho ho toy ny mpandeha lanaky ny dia, mitady fialofana hiatrehana ny alina.

Aoka hazava tsara kokoa ao an-tsaintsika ny asan'ireo anjely mpamangy ireo. - UL, t. 84.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal