Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAHAFANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Fanasitranana ilay jamba (Fizarana 2)

Daty
Alarobia 09 October 2024

Vakio ny Jao. 9:17-34. lnona ireo fanontaniana napetrak'ireo mpitondra fivavahana, ary inona no navalin'ilay jamba sitrana azy ireo?

Io ampahan-dahatsoratra lava ao amin'ny Jao. 9 io no hany tsy ahitana an'i Jesôsy ho mpandray anjara fototra, na dia Izy aza no foto-dresaka ao. Tahaka ilay fanontaniana mikasika ny fahotana any amin'ny fiantombohan'ny tantara (Jao. 9:2), dia nihevitra koa ny Fariseo fa mpanota i Jesôsy satria nanasitrana tamin'ny andro Sabata (Jao. 9:16,24), ary nanaraby llay lehilahy sitrana izy ireo hoe: "Tena teraka tamin'ny ota ialahy"— Jao. 9:34.

Mahaliana ny fifanoheran-javatra eto. Nihanazava hatrany ny fahitan'ilay jamba, tsy ara-nofo ihany fa ara-panahy koa, satria nitombo ny fankasitrahany an'i Jesôsy sy ny finoany Azy. Fa ny Fariseo kosa nihajamba hatrany tao an-tsainy, voalohany, noho ny fisarahan-tsainy ny amin'i Jesôsy (Jao. 9:16), ary faharoa, noho ny tsy nahafantarany izay niavian'i Jesôsy (Jao. 9:29).

Amin'ny alalan'ny fitantarana io fahagagana io koa no ahafahan'i Jaona manambara amintsika hoe Iza moa i Jesôsy. Mifandray amin'ireo lohahevitra maro hafa ao amin'ilay filazantsara ity lohahevitra momba ny famantarana ao amin'ny Jao. 9 ity. Averin'i Jaona eto, ohatra, fa i Jesôsy no fahazavan'izao tontolo izao (Jao. 9:5, ampitahao amin'ny Jao. 8:12). Miresaka ny amin'ny fiavian'i Jesôsy koa ity tantara ity, izay zava-miafina. Iza moa Izy, avy aiza, ary inona ny asa nanirahana Azy? (Jao. 9:12,29; ampitahao amin'ny Jao. 1:14). Hita ao amin'ity toko ity koa ny fampitahana an'i Jesôsy amin'i Mosesy, tahaka ny ao amin'ny toko eo aloha (Jao. 9:28,29; ampitahao amin'ny Jao. 5:45,46 sy ny Jao. 6:32).

Mampatahotra tokoa ny fahajambana ara-panahy mahazo ireto mpitondra fivavahana ireto. Hoy ilay lehilahy jamba efa sitrana: "Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona lzy."— Jao. 9:32,33. Ireo mpitondra fivavahana anefa, dia ireo mpitarika ara-panahy ny firenena, ireo izay tokony ho nahafantatra voalohany an'i Jesôsy sy nanaiky Azy ho Mesia, izy ireo indray no tsy nahita izany, na dia teo aza ireo porofo mahery vaika rehetra. Na, raha ny marina, tsy te hahita izy ireo. Fampitandremana lehibe izany fa afaka mamitaka antsika tokoa ny fontsika!

Vakio ny 1 Kôr. 1:26-29. Mifanaraka tsara amin'ny toe-javatra vao noresahantsika ny ambaran'i Paoly eto; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no fisehon'izany foto-kevitra izany na dia ankehitriny aza? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal