Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanandramana kristianina velona 

Daty
Talata 08 October 2024

"Manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha." - Apôk . 3:18,19.

Mofon’aina :
Tsy maintsy manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin'ny asa maty isika mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona. Ny atao hoe fanamasinana dia fitiavana tanteraka, fankatoavana tanteraka, firindrana tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Raha mifandrindra amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainantsika, ka voamasina ny saina sy ny fanahy ary ny tenantsika, dia hanana hery miasa mangina lehibe amin'izao tontolo izao isika. Tsy tanteraka isika, kanefa tombon-tsoantsika ny miala amin'ny famatoran'ny "izaho" sy ny "fahotana", ka handroso ho amin'ny fahatanterahana. (...)

Mety hahavita zava-dehibe, hahatratra tanjona ambony sy masina, izay rehetra manana finoana marina. Tsy aleontsika ve manosotra odi-maso amin'ny masontsika mba hahitantsika izao zava-mahagaga natao manoloana antsika izao? Nahoana no tsy itolomantsika amim-paharetana sy amim-bavaka izany sady mandroso miakatra hatrany isika mandra-pahatonga antsika amin'ny fahamasinana? Mpiara-miasa amin'Andriamanitra isika, ary tsy maintsy miara-miasa amim-pirindrana isika samy isika, ary isika sy Andriamanitra, "fa Andriamanitra no miasa ao [anatintsika] na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." —Fil. 2:13. (...)

Tsy mahafaly an'Andriamanitra ny mahita antsika osa ara-panahy. "Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin'ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesôsy Kristy. Fa manana izao rakitra izao amin 'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay." — 2 Kôr. 4:6,7. Manana ady sy fitsapana hatrehina isika, kanefa aoka tsy hihemotra na ho kivy. (...)

Raha miezaka fatratra isika hanatratra ny fahamasinana, sady matoky an'Andriamanitra, dia ho azontsika izany. Ary amin'ny maha-vavolombelon'i Kristy antsika dia natao hampahafantatra amin'ny hafa ny fahasoavan'Andriamanitra niasa tao anatintsika isika.

Ny fisalasalana ihany no tena tokony hotandremantsika fatratra. Ny vokatry ny fahamarinana dia fiadanana sy toky mandrakizay. Aoka isika hanana fahatsorana sy fahitsiam-po araka an'Andriamanitra. Tsy maintsy hananantsika ny fahendrena avy any ambony. UL, t. 99. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal