Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra, mpitari-dalana

Daty
Zoma 11 October 2024

"Fanilon 'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao." - Sal. 119:105.

Mofon’aina:   
Mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara" (Isa. 1:16,17). 10 no lesona tokony hianaran'ny tsirairay isan'andro. Ny fanazarana ny tena no voalohany. Fanabeazana tsy mitsahatra atao amin'ny hafa ny hery miasa mangina avy amin'ny fiainana marina sy mahatoky. Ireo izay voafehy sy tarihin'ny foto-kevitra ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra mazava, dia mandeha araka ny fisainana sy ny sitrapon'Andriamanitra, Izay hendry loatra ka tsy manao fahadisoana, ary tsara loatra ka tsy hanisy ratsy antsika.

Raha tianao ny handeha amim-pahendrena, dia mandehana araka ny didin'Andriamanitra. Eo am-pelatanantsika ny Tenin'Andriamanitra. Tsotra sady mazava io Teny io ka tsy misy tokony ho diso hevitra raha tsy hoe avelany hitarika azy ny fironany ho amin'ny ratsy, izay toetra nolovainy sy nokolokoloiny. Nifanandrina tamin'i Satana mpamitaka ny Mpanavotra anao tamin'ny alalan'ny "Voasoratra hoe", ary koa tamin'ny alalan' ilay baiko hoe: "Mankanesa ato ivohoko, ry Satana". Manoro hevitra anao aho, raiso amim-pitiavana ny Teny avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, izay afaka mamonjy ny fanahinao. to no aro sy hery ho anao. lzay mikatsaka marina ny fahamarinana dia tsy hanafangaro ny marina amin'ny diso. Ny tenin'Andriamanitra no mofon'aina izay azon'ny rehetra andraisana anjara mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. (...) Ny fahamarinana no hazon'aina; natao hihinana ny raviny ny taranak' olombelona mba ho velona.

Ireo izay miezaka ny hanazava ny Teny amin'ny heviny manokana, izay mamaky izany araka ny fisainany manokana, dia tsy hahita na oviana na oviana ny fahamarinana, ary ho faty ao amin'ny fahotany. Ireo izay mihinana amin'ny hazo voarara dia manaiky ny laingan'i Satana fa tsy ny "izao no lazain'i Jehôvah "; ary raha tsy mibebaka izy ireo dia tsy hahazo flay fiainana mifamatra amin'ny fiainan'Andriamanitra mihitsy. (...) Miaina ao anatin'ny andro fitsarana isika izao, izay andro lehibe. Tokony ho feno tahotra sy fanajana isika satria eo anatrehan'Andriamanitra mandrakariva. Tsy maintsy manapa-kevitra ny tsirairay na hankatò dia ho velona, na tsy hankatò dia ho levona. — UL, t. 125. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal