Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Mba ho iray ihany izy rehetra" 

Daty
Sabotsy 12 October 2024

"Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan 'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy." - Jao. 17:21.

Mofon’aina:     
Samy mila ny hevitry ny hafa avokoa isika rehetra. Fisainana hafa noho ny antsika no hiasan'Andriamanitra. Miara-miasa ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa nomena ny tsirairay "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan 'i Kristy." — Efes. 4:12.

Hanasitrana ny aretintsika mbamin'ny fahalementsika ny Tompo Jesôsy Kristy. Azy isika, amin'ny alalan'ny famoronana sy ny fanavotana. Aoka ho iray ihany ao Aminy isika rehetra. Izy no hany loharanon'ny fahasitranana. (...) Nanokatra loharano ho an'ny mponin'i Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana Izy (Zak. 13:1). Manasa ny tsirairay Izy hanatona mba hositranina, ary mba hisotro amin'ny ranon'aina. Aoka tsy hatoky ny tenantsika isika fa hatoky an'i Jesôsy.

Hisy sakana mandrakariva eo anoloantsika, kanefa aoka isika hanaraka Ilay mpitarika antsika ka hifampitantana hiatrika ny zava-tsarotra ao anatin'ny firaisan-kina. Tokana ihany ny lalana mankany an-danitra. Tsy maintsy manaraka ny dian'i Jesôsy isika, manao ny asany, dia tahaka Azy nanao ny asan'ny Rainy. Aoka hodinihantsika ny fombany fa tsy ny fomban'olombelona; aoka hankatoavintsika ny sitrapony fa tsy ny antsika. Mitandrema tsara andrao mandeha alohan'i Kristy. Aza manao na inona na inona raha tsy mila saina amin'ny Mpitarika anao. Manaova vavaka tsotra, dia "hahazo hianareo". Izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana.

Vakio sy diniho tsara ny vavaka nataon'i Kristy mialoha ny nitsarana Azy, ao amin'ny Jao. 17. Araho ny fampianarany dia ho tonga amin'ny firaisana ianareo. Ny hany fanantenantsika hahazoana ny lanitra dia ny maha-iray antsika amin'i Kristy, ary avy eo dia ho iray ihany isika rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalany. Tsy misy olona nantsoina handeha irery. (...) Miantso ho amin'ny firaisana i Kristy, aoka hisy eo anivontsika izany. Mangataka antsika Andriamanitra mba ho voafina ao amin'i Kristy ny "izaho". Tsy mora amin'ny olombelona manana fironana ara-nofo izany. Kanefa hiseho ao amin'ny fahalemem-panahy sy ny fahatsarany ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'i Kristy, Izay Andriamanitra tonga nofo. — UL, t. 141. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal