Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ilay vehivavy teo am-patsakana

Daty
Alatsinainy 28 October 2024

Vakio ny Jao. 4:7-15. Ahoana no nampiasan'i Jesôsy io fihaonana io mba hanombohana fijoroana ho vavolombelona tamin'ilay vehivavy?

"Nanakana an'ilay vehivavy tsy hanolotra izany fahasoavana izany ho an'i Jesôsy ny fifankahalana nisy tamin'ny Jiosy sy ny Samaritana, nefa niezaka ny hahita ny fanalahidy hanokatra io fo io Jesôsy, ka tamin'ny fahaizana nateraky ny fitiavan'Andriamanitra, dia nangataka fahasoavana Izy fa tsy nanolotra fahasoavana. Nety ho nolavina ny fahasoavana natolotra, fa ny fitokisana kosa miantso fitokisana." - IFM, t. 136, ed. 2023.

Fantatr'i Jesôsy izay ao am-pon'ny hafa, tahaka izay niseho tamin'ny fihaonany tamin'i Nikôdernosy. Ho setrin'ny fahatairan'ilay vehivavy noho ny amin'ny Jiosy iray nangataka fanampiana avy tamin'ny Samaritana anankiray, dia novantanin'i Jesôsy ny resaka: "Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona." - Jao. 4:10.

Tahaka ny valintenin'i Nikôdemosy raha niresahan'i Jesôsy mikasika ny fahateraham-baovao ny valin-tenin'ilay vehivavy, izay nanontany hoe: "Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?" - Jao. 3:9. Hoy ravehivavy: "Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?" - Jao. 4:11. Samy nampitodihan'i Jesôsy hifantoka tamin'ny fahamarinana ara-panahy ambony indrindra izay nilain'ny tsirairay avy tamin'izy ireo ho heno sy ho takatra ilay mpampianatra Jiosy fanta-daza sy ilay vehivavy Samaritana nanana toetra misalasala. Tao amin'ny toerana nisy azy ireo tsirairay dia nitovy ny zavatra nambaran'i Jesôsy taminy: nila ny fanandraman'ny fiovam-po izy ireo.

Inona ny tantara fototra ao amin'ny Testamenta Taloha izay iorenan'ny fanambaran'i Jesôsy momba ny rano velona? (Jer. 2:13; Zak. 14:8. Sarobidy eo amin'ny fiainana tokoa ny rano; tsy afaka hiaina tsy misy azy ny olombelona; amin'izany no mahatonga ny rano ho sary mety indrindra hanehoana ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesôsy: "fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay." - Jao. 4:14.

Vakio ny Jao. 7:37,38. Inona no ambaran'i Jesôsy amintsika ao anatin'ireo andalan-teny ireo, ary ahoana no hiainantsika ny fanandramana izay ampanantenainy eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal