Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahazavana tokana manazava ny làlana

Daty
Alatsinainy 21 October 2024

 "Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak 'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro." -Ohab. 4:18. 

Mofon’aina:

Ny fitiavan'i Kristy ao am-po, mampiseho ny heriny mahagaga eo amin'ny fiainana — io no fahagagana lehibe indrindra natao teo anatrehan' izao tontolo izao lavo sy feno adilahy. Andeha isika hiezaka hanatanteraka izany fahagagana izany, tsy amin'ny herin'ny tenantsika fa amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika sy tompointsika. Andeha isika hitafy an'i Kristy, dia hiseho mazava ny hery mahagagan'ny fahasoavany eo amin'ny fiovan-toetra, hany ka ho resy lahatra izao tontolo izao fa naniraka ny Zanany teto amin'izao tontolo izao Andriamanitra mba hahatonga ny olona ho tahaka ny anjely masina eo amin'ny toetrany sy ny fiainany. (...)

Aoka hekentsika ny hitondra ny marika maha-Kristianina. Tsy marika hita maso ety ivelany izany, tsy fitondrana hazo fijaliana na fanaovana satroboninahitra, fa fanehoana ny firaisan' olombelona amin'Andriamanitra. Aoka hariantsika ny toetra taloha mbamin'ny asany, ka hotafiantsika ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary antsika (Kôl. 3:9,10). Miseho ny fihaingoana masina rehefa mifanatona ny Kristianina ka mifandray am-po amin'ny fitiavana tahaka ny an'i Kristy.

 "Koa amin 'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesôsy , (...) sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon 'Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin 'ny fo marina sy amin 'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana (...); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. " Heb. 10:19-25.

Tokana ihany ny fivavahana marina, tokana ny làlana mankany an-danitra, fahazavana tokana no manazava ny lalan'ny mpivahiny. Eo am-pandrosoantsika ho amin'ny fahalalana ny Tompo no hanekentsika isaky ny indray mandingana fa i Kristy no Fahazavan'izao tontolo izao, Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana; ary ho hitantsika fa ny làlana asainy izorantsika dia "toy ny fipoak 'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan 'ny andro." — Ohab. 4:18.

Lehibe Jehôvah ka mendrika ny hoderaina indrindra (...). Sambatra, tena sambatra ny tokantrano izay misy ray sy reny ary zanaka manompo an'i Kristy. — UL, t. 233. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal