Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy: Ohatra iray tonga lafatra ho an'ny rehetra

Daty
Sabotsy 02 November 2024

 "Ary Jesôsy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin 'Andriamanitra sy ny olona." - Lio. 2:52 

Mofon'aina:
Efa lavo ny olombelona. (...) Simban'ny fironany izy ary nihena ny heriny noho ny tsy fankatoavany, ka manjary tsy misy azony antenaina afa-tsy fahoriana sy fahatezerana mirehitra. Nanoritra lalana hialana amin'izany anefa Andriamanitra (...) ary hoy Izy amin'ny olona rehetra: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo." (...)

I Kristy no Môdelintsika. Tonga teto an-tany Izy, ary nandalo tamin'ireo dingana samy hafa amin'ny fanandraman'ny olombelona. Tsy nisy toerana ho an'ny fahotana teo amin'ny fiainany. Izao no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momba Azy: "Ary ny Zaza nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan 'Andriamanitra no tao aminy." - Lio. 2:40. (...)

Tsy niaina mba hanao izay mahafinaritra ny Tenany ny Mpamonjy. (...) Niatrika fizahan-toetra sy fakam-panahy isan'andro Izy, nefa tsy mba resy na kivy. Nanam-paharetana sy fifaliana mandrakariva Izy, ary ireo ory dia niarahaba Azy toy ny mpitondra hafatra mitory fiainana sy fiadanana ary fahasalamana. (...)

Izao no teny fikasan'Andriamanitra: "Ho masina hianareo, satria masina Aho." Fanehoana taratra ny voninahitr 'Andriamanitra ny fahamasinana. Tsy maintsy miara-miasa amin'Andriamanitra anefa isika mba hanehoantsika taratra izany voninahitra izany. Tsy maintsy esorina tsy ho ao am-po sy ao an-tsaina izay rehetra mitarika: ho amin'ny ratsy. Tsy maintsy mamaky sy mianatra ny Tenin'Andriamanitra amin'ny faniriana lalina ny hahazo hery ara-panahy avy amin'izany isika. (...) Ny fanamasinana antsika no tanjon'Andriamanitra ao amin'izay ataony amintsika rehetra. Hatry ny fahagola no nifidianany antsika mba ho masina isika. Hoy i Kristy: "Fa izao no sitrapon 'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo ." -1 Tes. 4:3. Moa ve sitraponao koa ny hampifanarahana ny fanirianao sy ny fironanao amin'ny sitrapon' Andriamanitra? (...)

Ny fiainana ny fiainan'ny Mpamonjy, ny fandresena ny faniriana feno fitiavan-tena, ny fanatanterahana amin-kerim-po sy amim-pifaliana ny adidintsika amin'Andriamanitra sy ireo manodidina antsika - izany no mahatonga antsika hihoatra noho ny mpandresy. Izany no manomana antsika mba hijoro eo anoloan'ilay seza fiandrianana fotsy lehibe tsy hisy pentina na fiketronana (...).- RC, t. 37.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal