Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankato ny Lalàna ny tena mpianatra

Daty
Alatsinainy 04 November 2024

"Izay rehetra manota no mandika ny lalàna" - 1 Jao. 3:4 

Mofon'aina:
Ny faniriana hanana fivavahana moramora izay tsy mitaky fiezahana sy fahafoizan-tena ary fisarahana amin'ny hadalan'izao tontolo izao, no nahatonga ny fampianarana momba " ny finoana, ary ny finoana irery ihany" ho fampianarana mamim-bahoaka. Ahoana kosa hoy ny tenin'Andriamanitra? Hoy ny apôstôly Jakôba: 'Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? (...) Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an 'i lsaka zanany teo ambonin'ny alitara? Hitanareo fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa. (...) Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.'- Jak. 2:14-24.

Ny fanambaran' ny tenin' Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan'ny lanitra nefa tsy mameno ny fepetra izay anomezana ny famindrampo, fa fiheverana sahisahy fotsiny izany! (...) 
(...) 'Fa ny ota no fandikana ny lalàna.' Izay rehetra manota (mandika ny lalàna) dia tsy nahita na nahalala Azy.' - 1 Jao. 3:6. Na dia nanantitrantitra feno ny amin'ny fitiavana aza i Jaona ao amin'ny epistiliny, dia tsy misalasala koa izy mampibaribary ny tena toetran'ny antokon' olona izay milaza ho nohamasinina, nefa mivelona amin'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra.' - 1 Jao. 2:4, 5.

Eto no fisedrana ny toetran'ny tsirairay. Tsy misy olona na iza na iza azontsika lazaina ho masina raha tsy ampitahaintsika amin'ny filamatra tokan'ny fahamasinana na any an-danitra na ety an-tany izy. Raha tsy tsapan'ny olona ny lanjan'ny lalàna ara-panahy, raha ataony zinona ary hamaivaniny ny fitsipika nomen'Andriamanitra, raha mandika ny anankiray amin'ny kely indrindra amin'ireny didy ireny izy, ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa, dia tsy hahazo sitraka eo imason'ny lanitra mihitsy izy (...).-RC, t. 49. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal